· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Jolay, 2008

Shina: Dokambarotra Olaimpika

  17 Jolay 2008

Adrienne Wong avy ao amin'ny Shanghaiist no nanamarika fa ny doka fanoheran'ny Amnesty International ny lalao Olaimpika  any Shina sy ny dokambarotry Adidas mandritra ny Lalao Olaimpika dia nolokoiin'ny orinasa iray ihany izay tsy iza fa ny (TBWA).

Hong Kong: Mividy vola

  17 Jolay 2008

Namoaka vola taratasy hahatsiarovana ny lalao Olaimpika hotontosaina any Beijing ny Bank of China any Hong Kong. Anarivony no nilahatra telo andro mialoha mba hahazoana izany vola taratasy izany ka niteraka savorovoro. Florence avy amin'ny Over the Rainbow (Ambonin'ny Avana) no voatery niresaka ny vaovao ka nilazalaza fa tsy hifanakalozana eny...

Mozambika: famoronana hiatrehana ny olana ara-tsakafo

  12 Jolay 2008

O Silêncio de Kianda [pt] no mitondra ho antsika sombim-baovao mahafinaritra amin'ny fikaratahan'ny olona hiatrehana ny olana ara-tsakafo: mofo vita amin'ny mangahazo voatoto fa tsy amin'ny varimbazaha. “Mahavokatra mangahazo 3 000 000T isan-taona manko i Nampula [faritany iray any Mozambika] ary ampy hamelomana ny fandraharahana momba ny fanaovamofo sy hojifain'ny...

Bahraina: Fampanantenana poak'aty

  09 Jolay 2008

Manontany i Yagoob hoe nahoana moa ireo fianakaviana mahantra Bahrainita no mbola tsy naharay ny fanohanana ara-bola nampanantenana azy ireo enimbolana lasa izay. Izany no natao mba hiarovana azy ireo amin'ny fidangan'ny vidim-piainana.

Shina : Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana

  06 Jolay 2008

Mety iharan'ny fandraràna ny fanaovana tatitra ara-blaogin-dahatsary [Vlogging] manodidina ny lalao Ôlaimpika (araky ny fiheveran-dry zareo), ary manantena ry zareo fa tsy hahakasika ny tolotry fringsters izany izay vao nametraka tolotra vaovao Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana hoan'ireo rehetra izay mitatitra ara-blaogin-dahatsary ny lalao Ôlaimpika.

Azia AtsimoAtsinanana: Loharanon'angovo fanolo

  04 Jolay 2008

Noho ny fidangan’ny vidin-tsolika, maro ireo firenena avy any Azia Atsimo-Atsinanana no nanamafy ny ezaka ho fitrandràhana loharanon’angovo hafa ho fanolo. Eny fa na dia ireo firenena mpamokatra solitany toa an’i Malezia, Indonezia sy Brunei aza dia samy mampiasa vola hitrandraka angovo azo avaozina avokoa. Tena andrandraina sy ilaina ny...

Rosìa : “Detskiy Mir” tranombarotra kilalao any Môskoa

  01 Jolay 2008

yustas izay mpampiasa ny vohikala LJ [livejournal.com] no manapariaka sary ampahalalana ny tranombarotra Detskiy Mir (”Tontolon'ny kilonga”), fivarotana kilalao any Môskoa izay nakatona omaly noho ny fanavozana izay tombànana haharitra telo taona.