· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Oktobra, 2018

Shina: Inona No Niafaràn'ireo Niharamboina Vokatry Ny Horohorontany Tao Sichuan?

  11 Oktobra 2018

Iharan'ny ririnina mamirifiry ankehitriny ireo niharam-boina vokatry ny horohorontany tamin'ny 12 may 2008 tao Sichuan. Manam-pahefana iray eo an-toerana no milaza fa mety hahatratra -21°C ny maripàna farany ambany ao amin'ilay faritra tratry ny horohorontany. Ankehitriny , ny fanampiana an'ireo traboina hamakivaky ny ririnina henjana no mijanona ho asa iray maika sady sarotra.

Libanona: Fanontaniana Azo Ambara Ho Tsy Politika

  06 Oktobra 2018

Inona no hanintsika? Nahoana ireo bankintsika no miroborobo? Iza no mandraoka an'ireo baomba miparitadritaka? Ahoana no hanampian'i Brezila amin'ny fanodinana ireo fako libaney? Nankaiza ireo ankizy izay voafandrika teny anelanelan'ireo tifitry ny andaniny sy ankilany nateraky ny ady? Ary mozika kely koa. Ireo no fanontaniana vitsivitsy izay ahitàna valiny any anatin'ny fijerena ny tontolombolongana libaney tamin'ity herinandro ity. Ndeha atombontsika amin'ireo fanontaniana telo momba ny fisiana napetrak'i Mazen Kerbaj [En]. Ao anatin'ny asa eto ambany, manontany izy manao hoe "Iza isika? Iza no mahalala? Iza no hameno ny banga?"

Però: Korontana taorian'ny horohorontany

  01 Oktobra 2018

Niteraka hetsika marobe teo amin'ireo bilaogera Peroviana ny horohorontany goavana vao haingana izay namely an'i Però. Ny sasany nanoratra sy nanadihady ny zavatra tsapan'izy ireo tamin'ny fisian'ny horohorontany, raha nikasa hampahafantatra ny namana Peroviana kosa ny hafa mba hiaro azy ireo amin'ny fampahalalam-baovao diso.