Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Aogositra, 2018

Horohorontany tany Laos, re hatrany Thailandy

Namely ny avaratra andrefan'i Laos ny horohorontany nahatratra 6,1 amin'ny refy Richter. Tsy nisy niresaka momba ny horohorontany tamin'ireo bilaogera vitsivitsy tao Laos tamin'ny fotoana nanoratana. Nisy ireo bilaogera no nanoratra momba ilay horohorontany tany Thailandy izay mpifanolo-bodirindrina aminy.

Nampiseho miharihary ny fijalian'ny vondrom-piarahamonina Ahwazi vitsy an'isa ao Iran ny fahafatesan'ny zazalahy iray 12 taona

Ny famonoan-tena nataon'i Meysam no tranga mampalahelo farany indrindra niseho teo amin'ny vondrom-piarahamonina Ahwazi, mponina vitsy an'isa monina any amin'ny faritra manankarena solika any atsimon'i Iran izay miatrika fahasarotana sy fanavakavahana ataon'ny manampahefana ao amin'ny firenena.

Bilaogy manokana ho an'ny horohorontany tany Indonezia 

Nampihetsi-po ny fanampiana sy ny fanomezana avy amin'ny firenena manerantany tamin'ny horohorontany nahatratra 6,2 tamin'ny maridrefy richter nitranga tao Yogyakarta, Java Afovoany, Indonezia.

Horohorontany miisa 11 namely ny atsimon'i Iran

Ny Asabotsy vao maraina (tamin'ny 07 ora GMT teo), nisy horohorontany maridrefy 5,8 namely ny atsimon'i Iran, araka ny filazan'ny USGS. Noho ny halaliny 44 km, tsy nisy heverina ho faty, saingy nisy nilaza fa nisy ireo olona vitsy mety ho naratra.

Namely an'i Oman ny rivodoza tropikaly Gonu

Nanambara ny hamehana ny governemantan'i Oman rehefa namely ny firenena ny rivodoza tropikaly Gonu , izay nahatratra ny sokajy faha 5 amin'ny loza voajanahary. Fantatra fa nanavatsava nanerana ny morontsiraky ny firenena nandritra ny telo andro ity oram-batravatra ity.