· Jona, 2018

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Jona, 2018

Ekoadaoro: Manampy an'i Haiti ny fanjakana

  19 Jona 2018

Iray volana mahery izay no lasa, mbola mitohy mameno ny pejy voalohany amin'ny gazety iraisam-pirenena ny loza nateraky ny horohorontany tao Haiti. Nifantoka tamin'ny ezaky ny fanjakana Ekoadaoreana sy ny filoha Rafael Correa ary ny andraikitr'izy ireo tamin'ny fitondrana fanampiana sy fanohanana an'i Haiti kosa ny gazety eo an-toerana.

India: Namely an'i Pune ny asa fampihorohoroana

  18 Jona 2018

Tamin'ny 7 sasany hariva tamin'ny Asabotsy 13 Febroary 2010, nisy baomba nipoaka tao amin'ny trano fisakafoanana malaza feno mpizahatany any Pune, tanàna andrefan'i India, ka nahafatesana olona 9 sy naratra 57. Tao anaty kitapo ilay baomba ary nipoaka rehefa niezaka nijery ity entana tavela ity ny mpampandroso sakafo.

Trinité sy Tobago: Dibo-drano i Port d'Espagne

  12 Jona 2018

Niteraka tondra-drano sy fihotsahan'ny tany ny toetr'andro nantsoina hoe Rivodoza Felix tao Trinité sy Tobago ny Asabotsy 1 Septambra. Naka sary ny renivohitra Port d'Espagne izay dibo-drano ilay bilaogera Attillah Springer.

Shily: Eritreritra momba ny horohorontany sy ny dingana fanarenana

  01 Jona 2018

Ny Fihaonamben'ny Median'olon-tsotra Global Voices 2010 dia mikasa hampandray anjara ireo bilaogera Shiliana amin'ny alàlan'ny fifaninanana bilaogy nokarakaraina niaraka tamin'ny fiarahamiasan'ny fikambanana OCD Iberoamérica. Tamin'ny andro voalohan'ny hetsika ho an'ny daholobe, bilaogera Shiliana dimy no nomem-boninahitra amin'ny mahafinalista azy ireo, ka ny iray no mibata ny loka lehibe indrindra.