Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2016

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Oktobra, 2016

Nambaran'i Khodorkovsky ny Fisokafan'ny Tetikasa “Open Media” Ho Fanohanana Ireo Start-up Momba Ny Fanaovan-gazety Fanadihadiana

Hanome 30 tapitrisa robla be izao ho fanohanana ireo start-up momba ny fanaovan-gazety fanadihadiana ny tetikasan'i Mikhail Khodorkovsky "Open Media".

Netizen Report: Eken'ireo Olom-pirenena Soisa Ny Fanarahamaso

Resy tamin'ny fitsapankevi-bahoaka ireo Soisa mpikatroka mafàna fo, raràn'ireo Jordaniana manampahefana ny fandrakofam-baovao momba ilay famonoana mpanoratra, ary mandany vola be noho izay efa fantatra tany aloha i Meksika mba ho an'ny fitaovana fanarahana maso.

Tantaran'i Fidencio Sanchez Manasongadina Ny Aingam-Panahy Tsara Indrindra Ao Amin'ny Media Sosialy —Sy Ny Manjò Ireo Latinô Mpifindra-monina

Ao anatin'ny fotoana niantsoan'i [kandidà ho filoham-pirenen'i Etazonia] Donald Trump ireo mpifindra monina Meksikana ho mpivarotra zava-mahadomelina sy mpanolana , lasa marika mihaika ilay fiheveran-diso feno fankahalana ny sarin'ity mpifindramonina Meksikana miasa mafy ity.

Tsy Miraharaha Ny Fanoherana Mivaivain'ny Vahoaka Ny Governemanta Jordaniana, Nosoniaviny Ny Fifanarahana Entona Miaraka Amin'i Israely

Na eo aza ny fanoherana tsy azo tsinontsinoavina, nosoniavin'i Jordania ihany ilay fifanarahana entona miaraka amin'i Israely. Ny fihetsiketsehana nomanina hatao ny Zoma 4 Oktobra no hamaritra ny hovin'ilay fifanarahana.