· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Janoary, 2012

Global Voices Podcast: Taom-baovao 2012 Feno Fahavitrihana

  04 Janoary 2012

Anatin'ity andian'ny podcast ity dia hamerina hibanjina ny taona 2011 isika, handinika ireo fitoviana sy fahasamihafàna eo amin'ny fanaovan-gazety mahazatra sy ny fampiasàna ny media vaovao, hamantatra momba ny fihaonan'ny Rising Voices mitondra aingam-panahy natao tany Bolivia mba hanohanana ny fivoaran'ny tontolon'ny bilaogin'ireo teratany sy tsy mitovy ara-piaraha-monina. Nanao dia tamin'ny kodiaran-droa eraky ny aterineto ihany koa izahay

Shily : Firehetan'ny Valanjavaboarim-pirenena Ao Torres del Paine Niteraka Fahatafintohinana

  04 Janoary 2012

Firehetana iray mahatsiravina no niteraka fahatohinana teo amin'ireo Shiliana mpiondana aterineto izay naneho ny ahiahy, ny hatezerana, ny alahelo ary ny fanantenan-dry zareo ny mba hifehezana haingana izany firehetana izany tany anatin'ireo tambajotra sosialy. Ny lohahevitra nironana betsaka, "Torres del Paine" sy ny tenifototra #salvemostorresdelpaine (ndeha hamonjy an'i Torres del Paine), dia nampiasaina mba ho fampahafantarana sy handefasana ireo fanehoan-kevitra mikasika ilay firehetana.

Ejypta: Navoaka Ny Fonja ilay Mpamaha Bolongana Maintimolaly Alaa Abdel Fattah

GV Mpisolovava  03 Janoary 2012

(Lahatsoratra navoaka voalohany tamin'ny 27/12/2011) Araka ny didy navoakan'ny Fitsarana Ady Heloka Bevava, noafahana ihany ilay mpamaha bolongana malaza Alaa  bdel Fattah taorian'ny fitazonana azy vonjimaika nandritra ny 56 andro. Tafahoana tamin'ny fianakaviany sy ny zanany lahikely vao 20 andro izy, teraka io nandritra ny fotoana nitazonana azy tany am-ponja....

Syria: Famonoana Feno Habibiana Iray Tamin'ny Krismasy

Mihoatra ny 250 ireo Syriana nisy namono nandritra ireo roa andro lasa, izay niafara tamin'ireo onjam-pahatairana erak'izao tontolo izao. Avy any amin'ny Filan-kevitra Nasionalin'ny Syriana mpanohitra (SNC) ny tatitra momba ireo "famonoana mampihorohoro" ireo, izay nanitrikitrika ny hanamelohan'ny Vondrona Arabo ireo famonoana ireo sy ny handraisan'ny Firenena Mikambana fepetra mba hiarovana ny olon-tsotra. Mihetsika manoloana ny famonoana nitranga tamin'ireo olom-pirenena Syriana ireo mpampiasa aterineto eo ambanin'ny tenifototra Twitter #ChristmasMassacre