Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Oktobra, 2011
Brezila: Nahakatona Bilaogina Mpametaveta Zazakely Ny Hetsika Tamin'ny Twitter
Raha arahina ny hetsika lehibe hita any amin'ny valan-tserasera dia niezaka nanao izay hanakatonana bilaogina mpametaveta zazakely ny mpisera Breziliana ora vitsy taorian'ny fanairana voalohany nalefa tamin'ny Twitter ny marainan'ny...
Fihaonan'ny Bilaogera ao Tonizia Andian'ny Fahatelo
Nisokatra tamin'ny Alatsinainy 3 oktobra tao Tonizia ny Fihaonana fahatelo ny bilaogera arabo, valandresaka no nisantarana izany. Niara-nikarakara ity fihaonana ity ny Global Voices, Nawaat sy ny fikambanana Heinrich Böll ; teo amin'ny...
Tonizia: Bilaogera Palestiniana Nosakanana Tsy Hiditra Amin'ny Fihaonamben'ny Bilaogera
Ny akoralava manodidina ny Fihaonambe Fahatelon'ireo Bilaogera Arabo, izay nisokatra omaly atao Tunis, dia niavaka manokana tamin'ny tsy fahatongavan'ireo bilaogera Palestiniana, izay nolavina tsy hahazo visa fidirana. Nanàmbatra hery ireo bilaogera mba hitaky fanazavàna.
Global Voices Podcast 4: Misandratra Isika Miaraka
Amin'ity andiany ity dia handre ireo mpamaham-bolongana Grika avy ao amin'ny fikambanana Rising Voices ianareo, ny fomba fanatsaran'ny olotsotra tia mampita vaovao Goatemalteka ny talentany hiatrehana ny fifidianana ary izay kasaina hotontosaina mandritra ny Vovonan'ny Mpamaham-Bolongana Arabo hotontosaina ny 3-6 oktobra 2011 any Tonizia ary anisan'ny mpikarakara ny Global Voices
Iran: Bilaogera “Nanjavona” Sy Famonoan-tena Roa Nampahonena
Nanaitra ny mpamaham-bolongana Iraniana ny famonoan-tena nataon'ny roa tamin'ny naman'ny mpiaro ny zon'olombelona iray. Miantso famotorana avy hatrany ny Fanentanana Iraisampirenena Miaro ny Zon'Olombelona.
Rosia: Mampifandray Mpiray Tanàna, Mamonjy Aina
Ny mpamorona ny tranonkala izay nahatonga ny Rosiana hifanome tànana hifanampy nandritra ny doro-ala tamin'ny taona 2010 dia nanome endrika vaovao ilay tranonkala ho fomba iray hahafahan'ny olom-pirenena mifanohana amin'ny fomba vaovao - ao anatin'izany ireo mpanome rà an-tsitrapo izay mipetraka aminà toerana maro manerana ny firenena.