· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Jona, 2011

Tanzania: Mpikambana ao amin'ny Parlemanta mi-Tweet ny Fisamborana azy

  07 Jona 2011

Zitto Kabwe,  Tanzaniana mpikambana ao amin'ny Parlemanta avy amin'ny antoko mpanohitra Chadema no voasambotra tamin'ny4 Jona teo tao Tanzania afovoany raha vao vita kelikely ny famoriam-bahoaka nataony. Iray amin'ny andiam-pihetsiketsehana goavana nanerana ny firenena ny famoriam-bahoaka nataony izay nokarakain'ny Chadema hatramin'ny fanombohan'ity taona 2011 ity izay matetika  ahiana hisiana herisetra avy amin'ny polisy....

Syria: Fahatapahan'ny Aterineto?

Mirongatra ao amin'ny Twitter ny filazana fa mety misy fahatapahana ankapobeny ny aterineto manerana an'i Syria androany (Zoma). Manohy ny fihetsiketsehana hatrany ny Syriana manohitra ny fitondran'i Al Assad sy ny habibiana ataony amin'ny Syriana. Natao ny fihetsiketsehana Zoma hanamelohana ny fanafihana natao tamin'ireo zaza Syriana. Ny sasany milaza ny...

Ejipta: V na hoe Virijiny sa tsia?

Taorian'ny fanamarinana ilay vaovao manafintohina momba ny fitsirihana ny maha-virijiny na tsia an'ireo vehivavy nanao hetsi-panoherana izay voatàna nandritra ny revolisiona Ejiptiana, hatezerana moa izany, tsy ireo vehivavy Ejiptiana ihany, fa hatramin'ny lehilahy izay tsy nety nino mihitsy fa hoe ireo niady ho an'ny fahamendrehana sy ny fahalalahana no hisetrasetrana amin'ny fomba mahamenatra tahaka izany.

Shina: Fiampangana voalohany ‘Jasmin’

  03 Jona 2011

Nivoaka androany ny didim-pitsarana voalohany ilay mpikatroka miaro ny zon'ny sarambambe ao Chengdu, Li Shuangde, 47 taona, taorian'ny fisamborana sy fitazonana azy matetika nandritra ity lohataona ity.    Taorian'ny fitazomana azy nanomboka tamin'ny 23 martsa, nohelohina ho nanao hosoka “carte de crédit” i M. Li tamin'ny Alarobia teo ary voasazy higadra mandritra ny...

Ejipta: Manapaka ny Tsipika Mena; Mampiaka-peo Manohitra ny Tribonaly Miaramila

Volana vitsy lasa izay, ny fandehananao akaiky loatra ny Tranobe Fitsarana Miaramila ao amin'ny distrikan'i Nasr, ao Cairo, dia efa mety hitondra anao any am-ponja. Nefa ny 31 May teo, sehatra nanaovana fihetsiketsehana ho fanehoana firaisankina amin'ilay mpanolotra fandaharana ao amin'ny OnTv, Reem Maged, sy ilay mafàna fo amin'ny resaka sosialy sady bialogera Hossam El Hamalawy, ary ilay mpanao gazety Nabil Sharaf El Din ny teo amin'ny manodidina an'ilay faritra.