· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Marsa, 2011

Tontolo Arabo: Mifaninana amin'ilay fifaninanana antsoina hoe Arabisk ireo mpitoraka bilaogy

Miady ny loka azo amin'ny fifaninanana amin'ny "Ny bilaogy Arabo tsara indrindra " (Arabisk) ny mpitoraka bilaogy Arabo. Eo amin'ny ambaratongan'ny fitsarana amin'izao ny fifaninanana. Tsaraina amin'izao ireo bilaogy 20 voalohany nozaraina ho sokajy efatra, ary ampahafantarina amin'ny fiandohan'ny volana Aprily ny valin'ny fifaninanana. Manan-kambara betsaka i Haifa Al Rasheed momba io fifaninanana io.

Ejipta: Findain'i Ayman Nour nisy nangalatra sy Tweet tsy izy

Ayman Nour, izay isan'ireo nifaninana ho filoham-pirenena Ejiptianina tamin'ny taona 2005, dia nandefa ity tweet manaraka ity ny Asabotsy 5 Febroary, teo amin'ny 3 ora maraina teo ho eo: @ayman_nour: قراري الأخير : لن أترشح لرئاسة الجمهوريه وأفضل الدكتور محمد البرادعي رئيسا للجمهوريه الفترة القادمه لأن هذه الفترة تحتاج لرجل...

Libya: Lasa malaza fatratra ny “mihomehy” Zenga Zenga

Niely niampita vetivety tamin'ny aterineto ny kabarin'ilay tsy mifaditrovana Gaddafi"Zenga Zenga" . Miverimberina lasa hira, nahavitana hira isan-karazany ny sombin-kabary nitenenana tamin'ny vahoaka izany nampanantenan'ny "Guide" ny "hanadio an'i Libya isaky ny santimetatra, isan-trano, isan'efitrano, isaky ny arabe (Zenga Zenga)" ary mihamitombo any amin'ny fifampizaran-dahatsary ka mahamiramirana kokoa ny mpanohitra an'i Gaddafi

Bahrain: Rehefa Manohitra Ireo Mpiondana Teknolojia

Tamin'ny Sabotsy nisy vondrona manampahaizana amin'ny Teknolojia nanao fihaonambe ho fanoherana ny governemanta ary nitondràna sorabaventy amin'ny fomba sy fitenin'ireo "mpiondana". Teny an-toerana ilay mpandefa bitsika, Jalal Al-Jazeeri @JTheIslander, izay sady mpiondana rahateo ihany koa ka nandefa tamin'ny alalan'ny bitsika an'ireto sary ireto izay maneho ny sasany amin'ireo asa famoronana tena mahaliana.

Mifamory mba hankalaza ny fahazoana miditra aterineto any Kambodza

  05 Marsa 2011

Nisy Andron'ny Zavona nokarakaraina tany Phnom Penh any Cambodia hankalazana ny fahafahana miditra amin'ny aterineto any Cambodia. Na dia hetsika tsy ara-politika aza ity dia manara-maso ny fihetsiky ny governemanta ireo mpampiasa aterineto, noho izy miahiahy ny hetsika karakaraina amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy.

Côte d'Ivoire : Mety ho heno ve ny antso fitoniana ?

  05 Marsa 2011

Manaraka ny herinandro mangotraka izay nidiran'i Côte d'ivoire ho amin'ny herisetra tsy mbola nisy [tao] hatramin'ny nahavitan'ny fifidianana ny novambra 2010, dia efa nandalo imolotry ny Firenena Mikambana ny mety hisian'ny ady an-trano. Misy ny mpiserasera Ivoariana, na dia tena vitsy tokoa aza, no miantso fitoniana.

Libya: “Ny fahafahana no zavatra tokana irinay

Ity lahatsoratra ity dia fanadihadiana manokana mikasika ny Fihetsiketsaham-bahoaka tao Lybia taona 2011. Ny Alahady 27 febroary, andro hafa indray nisiana rà mandriaka tao Libya, toy ny fihetsiketseham-panoherana an'i Kolonely Muammar Al Gaddafi efapolo taona nitondràna dia mitohy izany tamin'ny andro faha iraika ambinifolo Nilaza ny tatitry ny mpanao gazety eran-tany...