Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Mey, 2019
Afrika: Mampihontsona ny fahalalahan'ny gazety ve ny herin'ny Shinoa?
Nandefa tafatafa niarahana tamin'ny filohan'ny Reporters Sans Frontieres, Leonard Vincent maneho hevitra momba ny fihenan'ny fahalalahan'ny gazety ao Afrika nandritra ny taona 2007 ny BBC.
Ao Hong Kong, miteraka fifandirankevitra ny ambadika ara-nofon'ny dokambarotra gilasy tofu an'i Ikea
Aposak'ilay [doka] sary an-tsaina ny vehivavy iray maniry ny ihinanana ny tenany tahaka ny tofu.
Navadik'i Stella Nyanzi ho fitaovam-piadiana ve ny fivaviana? Notsaraina amin'ny resaka fahalalaham-pitenenana ny vehivavy feminista Ogandey
Amin'ny fikatsahany governemanta tsara tantana, "hentitra amin'ny tsikera ataony amin'ny governemanta Ogandey" i Stella Nyanza ary tsy matahotra ny hiady hevitra momba ny fady manodidina ny fananahana sy ny miralenta ary mijoro hiaro ny zon'ny LGBT.
Hizara ny feon'ireo 50 mpikatroka ara-niomerika ho an'ny tenim-pirenena teratany ny hetsi-panentanana Twitter miodina mandritra ny taona iray
Midira ao amin'ny Rising Voices satria mankalaza ny fahamaroana ara-teny mandritra ny Taona Iraisam-pirenena Natokana Ho An'ny Tenim-pirenena Teratany isika, miaraka amin'ny hetsi-panentanana Twitter izay mampitombo ny traikefan'ireo mpikatroka ara-niomerika ho an'ireo tenim-pirenena teratany any Amerika Latina.
Arabia Saodita:Tezitra noho ny fisamborana an'i Al Farhan ireo bilaogera
Mitohy hatrany manerana ny tontolon'ny bilaogy Arabo ny fanehoan-kevitra taorian'ny fisamborana ilay bilaogera Saodiana Fouad Al Farhan, izay mbola tsy fantatra ny fiampangana azy.
Mihamafy ny krizy ara-politika ao Venezoela ary mitombo ny sivana antserasera
Miha-vitsy hatrany ny sakafo, ny rano ary ny herinaratra, toy ny fidirana amin'ny tambajotram-pifandraisana. Nahatonga ireo Venezoeliana maro ho ao anatin'ny fotoanan'ny fiahiahiana maharitra ireo antony ireo, miaraka amin'ny loza mitatao amin'ny fifandonana feno herisetra eny an-dalambe.
Atahorana ny ain'ilay mpikatroka Emiraty nogadraina, Ahmed Mansoor, enina herinandro nitokonana tsy hihinan-kanina izy izao
Nahazo ny loka Martin Ennals ho an'ireo mpiaro ny zon'olombelona tamin'ny taona 201 i MansoorHe. Nogadraina imbetsaka izy nanomboka ny taona 2011. Mitokona tsy hihinan-kanina izy ankehitriny
Nalaza haingana dia haingana ny lahatsarim-pampiroboroboana Leica ahitana ny fandripahana kianja Tiananmen tao amin'ny media sosialy shinoa, ary nanjavona avy eo
Voarara tsy afa-nanoratra ny voambolana "Leica" tamin'ny teny anglisy sy "徕卡" tamin'ny teny shinoa nandritra ny andro maromaro tao amin'ny Weibo ny mpiserasera.
Syria: Mandefa ireo fanampiana any Gaza ny Vokovoko Mena (Volantsinana Mena)
Nitatitra momba ny ezaky ny vokovoko mena Syriana Arabo amin'ny fandefasana fanampiana any Gaza ny Syria News Wire androany. Nahomby tamin'ny fandefasana kamiao 11 ahitana fanafody sy sakafo milanja 230 taonina any Gaza ity vondrona mpanao asa soa ity, izay mpikambana ao amin'ny Komity Iraisam-pirenen'ny Vokovoko Mena.
Indonezia: Tsy meloka i Prita hoy ny fitsarana ambony
Tamin'ny Talata tolakandro, tsy nahita ny Fitsarana Ambony Tangerang fa meloka noho ny fanalam-baraka i Prita Mulyasari, vehivavy mpikarakara tokantrano izay nanoratra fitarainana tamin'ny alalan'ny mailaka manohitra hopitaly iray iraisam-pirenena tsy mandoa hetra.