Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Mey, 2018

24 Mey 2018

Ny Fahamarinana Sy Ireo Vokany

Ny zavatra voalohany nanaitra ahy rehefa nandalo teo anoloan'ny Sendikàn'ny Gazety aho, vao tsy ela akory izay tamin'ity herinandro ity, mba hanongilan-tsofina hihaino ny fihaonan'ireo blaogera ejiptiana, dia ny fisian'ireo fiaraben'ny Fiarovana Foibe nihantsona manodidina ny zoron-dalana rehetra

23 Mey 2018

Venezoelà: Manao Fandrakofana Fifidianana Amin'ny Alàlan'ny Tambajotra Ireo Olom-pirenena

Zonao ny mifidy ary zonao ihany koa ny manaraka izany akaiky hatramin'ny farany.

21 Mey 2018

Mpanao Gazety Tsy Misy Sisintany: Ahoana No Hiarovany ny Bilaogera Ary Ahoana No Hahafanahao Manampy

Tamin'ny volana May 2006, namoaka ny pejiny "Ampio Ireto Bilaogera Ireto" ny Global Voices, izay mampahafantatra ny fidiran'ny fikambanana amin'ny fisoloana vava an'ireo bilaogera mba hiarovana ny fahalalahana miteny ety amin'ny aterineto.

Antilles Frantsay-Gaza: Ankivy Ara-toekarena Ataon'i Israely Ve?

Amin'ny fomba isankarazany, maneho ny firaisankinany amin'ireo mponina ao Gaza ireo Antilles frantsay sy ny ao Karaiba hatramin'ny fiantombohan'ny ady.

Malezia: Hita Amin'ny Lahatsary Amin'ny Finday Ny Fanararaotam-pahefan'ny Mpitandro Filaminana

Zon'olombelona an-tsary

Rehefa nanomboka nanaiky ny tatitra momba ny heloka bevava nalefan'ny olom-pirenena tsotra avy amin'ny findainy ny mpitandro filaminana maleziana, dia tsy nampoiziny fa indray andro any....

20 Mey 2018

Lahatsary Ho An'Ireo Jamba

Ankehitriny vokatry ny teknolojia, tsy hisy intsony atsy ho atsy ireo sembana amin'ny fahitàna sy fandrenesana ho voahilikilika noho ny tsy fahafahany mampiasa solosaina.

18 Mey 2018

Armenia – Azerbaidjana : Tanora Bilaogera Mamita Iraka Hameno ny Hantsana Jeopolitika

Tiako ny mifandray aminà olona samihafa. Isan'ny antony fototra nisoratako amin'ity tetikasa ity, dia ny hahita namana betsaka ato aho, ary mba hianatra lalindalina kokoa ny tsiambaratelon'ny media. Tia mamaky lahatsoratra momba ny kolontsain'ny firenena hafa aho. Mino aho fa hahay zavatra betsaka avy amin'ity tetikasa ity.

Pôrtô Rikô: Ny lahatsary antserasera ahitana ny hetsi-panoheran'ny mpianatry ny Oniversite

Mbola nihamafy hatrany ny hetsi-panoherana naharitra iray volana manohitra ny fanapahana ny tetibola tao amin'ny Oniversiten'i Pôrtô Rikô, ary navitrika tamin'ny fanaparitahana hatrany ny vaovao tamin'ny alàlan'ny lahatsary antserasera sy ny media sosialy hafa ireo mpianatra nipetraka tao anatin'ny faritry ny oniversite Rio Piedras.

17 Mey 2018

Makedonia: Fikomiana antserasera manohitra ny drafitra “Skopje 2014″

Taorian'ny taona maro nanaovana filazana miafina, ny fanodinkodinan-tsaina ataon'ny media ary fialana bala ataon'ny fanjakam-birao midify ny fitakiana mangarahara, tamberina andraikitra ary ny fandraisan'ny olom-pirenena andraikitra, nametraka drafitra ihany ny governemanta eo an-toerana [fiadidian'ny kaominina] ao amin'ny Kaominina Centar [MK] nony farany.

Bokotra fampitandreman'ny tovovavy mpianatry ny lisea amin'izay mety mpitsapatsapa vatam-behivavy anaty fiaran-dalamby: Tsy hanaiky moramora aho!

"Tianay hitsahatra ny hevitra manao hoe "nanao zavatra hanintonana ny chikan ianao!"