Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Janoary, 2018
Etazonia: Teratany Cherokee Miady Ho An'ny Dongontany Masina
Miady amin'ny fanamboarana fototra ho an'ny herinaratra ny teratany Amerikanina Cherokee, lazainy fa manenligenlina ny traikefa ara-panahy ao Kituwah, dongontany masina izay sarobidy toy ny "Tanànareny"
Andiana Tanora Kolombiàna Mpanohitra Raharaha Miaramila, Mankalaza Ny 10 Taona Nanoherana.
Ny 17 May lasa teo no nanamarihana ny tsingerintaona faha-folon'ny Antimili sonoro [es], hetsika iray nokarakarain'ny tambajotra Youth Network mba hanaparitahana amin'ny alalan'ny mozika ho amin'izao tontolo izao mikasika ny fanoherana ny tsy maintsy hanaovana raharaha miaramila. Nankalazaina tamin'ny alalan'ny lanonana ny daty, ary fivoriana maro no nokarakaraina nandritra ny volana May manontolo, resadresaka sy diabe fankalazana ny faha-folo taonan'ny hetsika Tsy fankatoavana sy fanoherana sivily nataon'ilay fikambanana tanora. Mampiseho fanasàna ho amin'ireo hetsika, ireo rakitsary fampahafantarana sy lahatsary fohy iray avy amin'ny iray amin'ireo tarika ska niaka-tsehatra tamin'ilay kaonseritra.
Lahatsary: Lasa Ambasadaoron'Olom-pirenena Ireo Nandresy Tamin'ny Fifaninanan'ny Firenena Mikambana
Manolotra anareo ny horonantsary miisa 5 nandresy tamin'ny fifaninanan'ny Firenena Mikambana izahay izay nahitana ireo mpandray anjara nandefa tao anaty lahatsary ny hafatra tiany holazaina tamin'ireo mpitondra raha toa ka omena alàlana hanao izany izy ireo.
Tonizia: Bilaogera Ary Gadra Politika Taloha Notendrena Ho Minisitra
Voatendry ho Sekreterampanjakana misahana ny Fanatanjahantena sy ny Tanora ao amin'ny governemanta vonjimaika vaovaon'ny Tonizia i Slim Ammamou, bilaogera, mpikatroka ary mpiaramiasa amin'ny Global Voices , nanomboka niraraka ny fanehoankevitra tao amin'ny tambajotra sosialy.
‘Raha Tsy Manohitra Ny Jadona Aho, Mbola Olona Ve?': Shinoa Mpikatroka Nohelohina Higadra Valo Taona
Nanomboka tamin'ny 2008 i Wu Gan, fantatra kokoa amin'ny solonanarany “Mpanimbinkena Faran'izay Fatritrany”, no efa navitrika tao anatin'ny faribolan'ireo Shinoa mpikatroka ho an'ny zon'olombelona
Netizen Report: Nosakanan'ny Manampahefana Iraniana Ny Tranonkala Iraisampirenena Sy Ny Sehatra Fandefasan-kafatra
Ny Netizen Report an'ny Global voices Advocacy dia manome topimaso iraisampirenena momba ny fanamby, fandresena sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany.
Inona No Nitranga Tao Maekelawi? Fitantarana Momba Ny Fampijaliana Tao Amin'ny Foiben'ny Fonja Etiopiana Izay Fantatra Fa Ho Akatona
"Hitantsika fa tsy lavitra araka izay eritreretintsika akory ny fangirifirian'ireo Ethiopiana voafonja."
Tonizia: Ho Fahatsiarovana Ilay Gadran'ny Aterineto Voalohany
Hahatsiaro hatrany an'i Zouhair Yahiaoui [en] ho olona iray izay nanokana ny fiainany amin'ny ady ho amin'ny fahalalahana maneho hevitra ireo mpikatroka Toniziana.
Manery ny Antokon'ny Fitondrana ao Ethiopia Ny Fitomboan-Dazan'ny Mpanohitra
Taonan'ny Fikambanana Demokratim-bahoakan'i Oromo (OPDO) ny taona 2007. Afaka nanozongozona ny marika saribakoly ny OPDO ary hita ankehitriny fa maneho hevitra eo amin'ny politikan'i #Ethiopia.
Nepal: Tabataba Manoloana Ny Grevy Fanakatonana Aterineto
Nisy fiantraikany ho an'ireo bilaogera ny fanapahan-kevitry ny Fikambanan'ny Mpanome Tolotra Aterineto tao Nepal (ISPAN) tamin'ny fanakatonana ny tolotra aterineto nandritra ny adiny roa ny maraina sy ny hariva.