Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Aogositra, 2017

20 Aogositra 2017

Arabia Saodita: Ary Raha Toa Ka Efa Hatrizay I Olive Riley No Namahana Bilaogy?

Maty teo amin'ny faha 108 taonany ilay bilaogera Aostraliana zokiny indrindra eto amin'izao tontolo izao, Olive Riley. Raha nisaona ny fahafatesany i Mohammed Al Shehri , any Arabia Saodita dia nanontany tena hoe inona ny lova navelan'i Riley raha nisy ny Aterineto ary raha hatrizay no nisy ny famahanana bilaogy.

Crisis Camp Italia: Mampiasa Web 2.0 Hiatrehina Ny Vonjy Taitra

Fametrahana ho anaty sarintany, fanarahandia, fanaovana gazetim-bahoaka; fitantanana tahirin-kevitra: ireo no anisan'ny lohahevitra nodinihana tao amin'ilay fihaonambe sambany natao tao Italia momba ny fiarahana mirotsaka mandray anjara.

Namoaka Boky Any Brezila i Luaty Beirão, Gadra Politika Angoley Teo Aloha

Noraketin'ilay mpikatroka tao anaty diary ny androny tany am-ponja na dia teo aza ny faharerahany, izay hita ao anatin'ity boky navoaka ankehitriny tao amin'ny USP ity.

18 Aogositra 2017

Bosnia Sy Herzegovina: Tsingerintaonan'i Srebrenica

Nankalaza ny faha-13 taonan'ny famonoana tao Srebrenica i Bosnia sy Herzegovina tamin'ny 11 Jolay izay nofaritan'ny ny Fitsarana iraisampirenena tao La Haye ho fandripahana mamely ny mponina Miozolomana tao amin'ny faritra. Mitatitra ilay fahatsiarovana antserasera ao amin'ny tontolon'ny bilaogy sy Facebook i Elia Varela Serra.

17 Aogositra 2017

Heloka Bevava sy Famaizana ao Kazakhstan

Aza miahotra ny tenanao manandrana an'io. Manorata zavatra mahatezitra sy mahatsiravina, avoahy ao amin'ny aterineto ary miandrasa. Rehefa manenjika anao izy ireo, kiakiaho hoe - " 'satraps!' mpamono olona", dia izay. Ho fonjaina ianao. Ho voninahitrao io ary ho mpisava lalana ny demokrasy ianao.

Shily: Fikambanana Voalohan'ireo Bilaogera

Vondrona iray misy bilaogera no nanapaka hevitra ny hanao Fikambanana ho an'ireo Shiliana Bilaogera [ES]. Ny hevitra dia teraka avy amin'ny ahiahy momba ny tsy fananana fomba fiseraserana voarindra.

Mitsikera Ny Fandaniam-poana Ataon'ny Fitondrana Meksikana Amin'ny Volam-bahoaka

Vao haingana ny governemanta federaly Meksikana no nanavao ireo vaovao momba ny fandaniana sy ny tetibola miaraka amin'ny tanjona mangarahara, tao amin'ny tranonkala "Vavahadin-tseraseran'ny fitondrana momba ny mangarahara sy fahazoana vaovaom-panjakana "

Sivana : Herdict Web, Fitaovana Vaovao Hilazàna Ireo Tranonkala Tsy Mety Hidirana

GV Mpisolovava

Mirehareha ny Global Voices Advocacy (sampan'ny Global Voices ho fiarovana ny fahalalaham-pitenenana ato amin'ny Aterineto) manambara ny fijoroan'ny Herdict Web.

16 Aogositra 2017

Iran: Ahiahy Momba Ny Ady Sy Ny Zon'olombelona

Mitombo isanandro ny ahiahy ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Iraniana momba ny ady eo amin'i Iran sy Etazonia.

Bahrain: Ny Fitsipi-Pitondratena Enti-Miady Amin'ny Sektarisma Ho An'ny Bilaogera

Noho ny fizarazarana ara-politika ao Bahrain izay matetika voarafitra amin'ny alàlan'ny fomba fijery ara-pivavahana dia namoaka fitsipi-pitondratena izay mikendry ny fampiatoana ny fampielezana ny fankahalana an-tserasera ilay bilaogera Mahmood Al Yousif.