Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Oktobra, 2016
Miantso Ny Praiminisitr'i Timor-Leste Ny Mpamoaka Vaovao Hanaisotra Ny Fitoriana Fanalam-Baraka
Miezaka ny mpamoaka vaovao manerana izao tontolo izao hanao izay hanesoran'ny praiminisitr'i Timor-Leste (Timor Atsinanana) ny fitoriana heloka bevava mpanangom-baovao roa avy ao amin'ny Timor-Post izay nilaza azy ho tafiditra amin'ny kolikolin'ny governemanta.
Mitendry Hira Klasika eo Anivon'ny Toeram-Pako Ho Endri-Panoherana
Nikarakara kaonseritra klasika eo afovoan'ny fako eo am-pidirana ny tanànan'i Tetovo, iray amin'ireo tanàna ao Eoropa tratran'ny fandotoana indrindra, ny mpikatroka ara-tontolo iainana ao an-toerana.
Raha Manapoaka ny Ady Ny Mpanao Politika , Miantso Fandriampahalemana Kosa Ireo Olon-tsotra Indiana sy Pakistaney
"Ny 'Fitiavan-tanindrazana' izay manaparitaka ny FANKAHALANA dia tsy fitiavan-tanindrazana. MIJORO isika raha miray hina. Lavo isika raha misaraka. Eo amin'ny fitondrana ireo mpanao politika mba hanjakazaka fa tsy hanompo ny fiarahamonina."
Tsy Mbola Vita Ny “Hetsika Mainty” Fa Mivoaka Ny Volavolan-dalàna Vaovao Iadiana Amin'ny Fanalan-jaza Ao Polonina
"Manantena Fihetsiketsehana Mainty iray hafa aho ho fanoherana ny fanambarana feno habibiana avy amin'i Kaczyński izay te hanangana afobe. Fihetsiketsehana iray hanoherana azy."
Nampitandrina Mpanao Gazety sy Mpikatroka Rosiana Am-polony Ny Google Manoloana Ireo Mpijirika Tohanan'ny Fanjakana
Ampolony mahery ireo mpanao gazety sy mpikatroka Rosiana nahazo fampitandremana hafahafa avy amin'ny Google androany vao maraina, mampahafantatra azy ireo fa "ny mpanafika tohanan'ny governemanta" dia mety "hiezaka hangalatra" ny tenimiafin'izy ireo.
Jamba, Manambady, ary Misara-panambadiana: Tantaran-Jazavavy Telo Ao India Amin'ny Andro Maoderina
Manamarika ny Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Zazavavy ny 11 Oktobra, izay manazava ny olana misy fiantraikany eo amin'ny zatovovavy manerana an'izao tontolo izao. Misy tantara vitsivitsy ireto notaterin'ny Video Volunteers, mampiseho ny fomba ataon'ireo ankizivavy ao India rehefa miatrika sy miady amin'ny olana isan-karazany mifandraika amin'ny lahy sy ny vavy.
Miatrika Fandrahonana Ara-pitsarana Vaovao Ireo Bilaogeran'ny Zone9 Fanta-daza Raha Vao Mainka Miharatsy Ny Herisetra Ao Ethiopia
Nosamborina tamin'ny Zoma i Seyoum Teshome, mpikambana fanta-daza ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny mpanoratra an-tserasera ethiopiana enjehina. Mandritra izany fotoana izany, hiverina indray eo anatrehan'ny fitsarana ireo bilaogeran'ny Zone9 amin'ny 21 Oktobra ho avy izao.
Vao 6 Taona Monja, Saingy Efa Manana Mpankafy Manerana Ny Tany i Sefo Kicha Avy Ao India
"Kicha, mahafatifaty ianao ao anatin'ilay fandaharana. Ho an-jaza iray enina taona, miaka-tsehatra amin'ny fandaharan'i Ellen, fatratra izany ary dia nahavitra asa goavana ise. Tena fahombiazana"
“Alatsinainy Mainty” Fitokonana Faobe Nokarakarain'i Pôlônina Manohana Ny Fahazoa-Misafidy Manoloana ny Fandraràna Tanteraka Ny Fanalan-jaza
Tamin'ny 3 Oktobra, vehivavy Poloney maro no tsy namonjy ny asany ary nandao ny raharahany ireo vehivavy mpikarakara tokantrano .
Andao Hanampy Amin'ny Famaranana Hatreo ny Fanagadrana an'i Saeed Malekpour, Mpandrafitra Tranonkala
Nosamborina sy nogadraina i Saeed Malekpour tamin'ny taona 2008 noho ny fampiasan'olon-kafa ny kaodiny open source [misokatra ho an'ny rehetra] hamoahana sary vetaveta ho ao amin'ny aterineto.