Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2016

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Septambra, 2016

16 Septambra 2016

Ankasitrahan'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao Okrainiana Noho Ny Asa Mafy Ataony Ny Bots Facebook

Akon'ny RuNet

Mafàna ny ady bot Facebook eo amin'i Okraina sy Rosia. Hahita lalana hanasaziana ireo mpanao "spam" ve ny governemanta Rosiana?

15 Septambra 2016

Araraotin'ny Mpisoloky sy ny Fampahalalam-baovao Mahazatra ny Tahotra Horohorontany Tao Skopje

Tsy mbola nisy ny horohoron-tany goavana, saingy nahatonga ny media sosialy hanely tsaho ny tsy fisian'ny vaovao mazava avy amin'ny manam-pahefana sy ny fampahalalam-baovao mahazatra hatramin'ny harivan'ny andro Alahady izay nanamafy ny vaovao diso ka nampitombo ny tahotra

13 Septambra 2016

An'hetsiny No Nanjohy Ny Fanentanana Notarihan'ireo Vehivavy Saodiana Mba Hamaranana Ny Fiahian'ny Lehilahy Ao Amin'ny Fanjakàna

Mpampiasa tambajotra an'hetsiny no nanjohy ny fanentanana notarihan'ireo vehivavy Saodiana mba hampitsaharana ny fiahian-dehilahy ao anatin'ny fanjakana.

WikiLeaks: Mivadika Ôrera

Na amin'ny lasibatry ny fanolanana na amin'ny famoahana ny anaran'ireo antoko demaokraty, lasa mirona amin'ny fampahafantarana manokana mety hanohintohina ireo olon-tsotra ny famoahana tsiambaratelo ataon'ny WikiLeaks ankehitriny.

12 Septambra 2016

Notazonin'ny Fitsarana Alzeriana Ny Fiampangana Ilay Mpikatroka Nogadraina Noho Ny Fanevatevana Ny Islamo Tao Amin'ny Facebook

GV Mpisolovava

Na dia nahena roa taona aza ny saziny an-tranomaizina, mbola higadra noho ny fanehoany ny heviny foana i Bouhafs .

11 Septambra 2016

Miresaka amin'ny Fiteny kaqchikel Ihany Koa Ankehitriny Ny Famoronana Sy Ny Teknolojia

Rising Voices

Juan Esteban Ajsivinac Sián, mpanalalana amin'ny fitenin-drazana ao Goatemalà, no nitady ireo fomba vaovao mba hampivoarana ny fiteniny amin'ny alalan'ny teknolojia.

10 Septambra 2016

Miteraka Ahiahy Momba Ny Fahalalahana Miteny Ao Venezoela Ny Fitazonana Am-ponja ilay Talen'ny Tranonkalam-Baovao

GV Mpisolovava

Nosamborina sy nampangaina ho manao fanadiovana vola maloto ilay mpisolovava sady mpanao gazety, Braulio Jatar, saingy mino ireo mampiasa tambajotra an-tserasera sy mpanao gazety fa ny tatitra nataony momba ny hetsi-panoherana manohitra ny filoha Nicolas Maduro no tena antony.

09 Septambra 2016

Tsy Nanaiky Ny Famotsorana Ilay Mpikatroka Ny Zon'olombelona Nabeel Rajab Ny Fitsarana Bahrainita , Nahemotra Ny Didim-pitsarana

GV Mpisolovava

Miatrika 15 taona an-tranomaizina i Rajab noho ny sioka momba ny ady tarihin'i Arabia Saodita ao Yemen sy noho ny filazana ny fampijaliana ao amin'ny fonja Bahrainita.

08 Septambra 2016

Mihahenjana Ny Toe-Draharaha, Mikarakara Fihetsiketsehana Ao An-Drenivohitra Ny Mpanohitra Ao Venezoelà

Niteraka disadisa teo amin'ny governemanta sy ny mpanohitra ny fanomanana ny fidinana an-dalam-be tamin’ny 1 Septambra teo. Mandritra izany fotoana izany dia nanome vaovao ara-potoana ny tambajotra, ny fampitam-baovao tsy miankina ary ny mediam-bahoaka .

06 Septambra 2016

Iraniana Mpahay Siansa Nokleary Nogadraina Nisioka Momba Ny Famotsorana Azy Arahim-Pepetra

Taorian'ny fanagadrana azy nandritra ny dimy taona, navotsotra ilay mpahay siansa nokleary Omid Kokabee.