Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Febroary, 2016
Tafiditra Ao Amin'ny Google Translate Ny Fiteny Kyrgyz !
Vao nampiana fiteny iray indray ny milim-pandikanteny sy fiteny maro malaza indrindra eto an-tany.
Pakistane Mpanao Kanto Mahatsiaro An'i Sabeen Mahmud Sy Ny Fanentanana Nataony Ny Andron'ny Mpifankatia
Araka ireo mpamono an'ilay mpikatroka mafana fo, Sabeen Mahmud, ny fanentanana nataony ny Andron'ny Mpifankatia izay "manohitra ny fivavahana Silamo" no "heloka novidiany lafo tamin'ny farany."
Very Fijery Miabo Ny Filohan'i Kazakhstan Mandre Ny Lakolosim-Patin'ny Vola Tenge
"Heverina fa fotoana izao ny hanondranana zezika ôrganika. Tondro manana ny hoaviny tokoa izy io rehefa hita fa lalina tokoa isika ankehitriny eo amin'ny sehatry ny diky."
Nahatezitra Mafy Ny Espaniôla Ilay Mpitolona Omby Nitàna Zazakely Teny An-kianja
"Tsy tomponandraikitra" sa "mpiaro ny fombandrazana" ? Mandrehitra indray ny adihevitry ny espaniôla momba ny fitolomana omby ny sarin'ilay mpitolona mitondra ny zanany eny an-tànany sady manao ny ataony ihany.
Tsindry Shinoa Tao Amin'ny Vovonan'ny Zavakanto Ao Bangladesh Hanampenam-Bava Ny Fampirantiana Momba An'i Tibet
"Ny fandrahonana ambadiky ny hafatra dia: Raha tsy manaraka izany ianao dia hotapahinay ny fifandraisana ara-toekarena na hanasarotra izany ho anareo izahay.."
Araka Ny Fanadihadiana, Solombavambahoaka Rosiana Iray Amin'ny Sivy No Hosoka Ny Maripahaizany
Hitan'ny Dissernet tamn'ny fanadihadiana nataony tamin'ny bokinà karokasa fa iray amin'ny mpanao lalàna sivy ao amin'ny Duma-mpanjakana Rosiana no manao hosoka ny votoatin'ny karokasany, antony nahatonga ny ahiahy momba ny fahaizany.
Fikambanana Tia Fanoritsoritana Sary Manavatsava An'i Eoropa Atsinanana Sy Afovoany Ao Amin'ny Twitter Manaitra Faniriana Te-Hamoron-Javatra
Ampolony ireo artista sy mpitia fotsiny izao no mandray anjara amin'ny fisantaran-tetikasam-pandokoana ao amin'ny Twitter mamoaka ny asany isan-kerinandro mba hitondra ala hamohamo bebe kokoa sy zavakanto ato amin'ny aterineto.
Mibahana Ireo Fitaovana Ahafahana Midify i Shina, Miaraka Amin'ny Fanampian'ireo Mpamatsy Tolotra “Cloud”
Vinavinain'ireo manampahaizana ho 1% hatramin'ny 3% eo ireo mpampiasa Aterineto ao Shina no mampiasa fitaovana fihodivirana mba hitsidihana ireo vohikala any ivelany. Fa mety hiova io miaraka amin'ireo fepetra vaovao.
‘Ebola Rosiana': Tetikasan'Olom-pirenena Mikaroka Momba Ny Fahafatesan'ireo Rosiana Tao Amin'ny Toeram-pitazonan'ny Polisy
Efa ho isanandro, maty any amin'ny toerana fitazonan'ny polisy ireo Rosiana, matetika noho ny antony tsy fantatra. Mandrakitra ny fahafatesana tsirairay ny tetikasa iray ety anaty Aterineto, antsoina hoe "Ebola Rosiana", mba hampitombo ny fahampahafantarana ireo olan'ny tsy fanajàna zon'olombelona.
Henjanin'i Kolombia Ny Sazy An-tranomaizina Ho An'ny Fanafihana Amin'ny Asidra
Ao Kolombia, henjanin'ny lalàna Natalia Ponce de León ny sazy famonjàna ho an'ireo nanao fanafihana tamin'ny asidra na vokatra simika.