Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Septambra, 2015
Maliana mpikatroka an'aterineto manampy ara-bola ny mpianatra ao Tombouctou amin'ny fanomezana ora fianarana akademika manokana
Ao Tombouctou, niara-nametraka tetikasa nikendrena hanampiana mpianatra 200, ka zazavavy ny 50 amin'izany, hikarakarany ny fanadinana faran'ny taona ny Maliana mpikatroka.
Ilay Andro Naha-dibo-drano An'i Dhaka
Niteraka fitohanana fifamoivoizana henjana be sy fahasimbàna vokatry ny rano tao Dhaka ireo ora-nikija tao, nanelingelina ny fiainan'ireo olona an'aliny. Tao amin'ny media sosialy, ny toetrandro sy ny tsy fahalavorarian'ny fitantanana ny fako no nomen'ny olona tsiny.
Maka fitia tsy mba hetra hanaovana fandraketam-peo ilay Rosiana olomangan'ny Rock Boris Grebenshikov
Niantso ny fandraisana anjaran'ny besinimaro an-tserasera hanohana ara-bola ny fandraketana ny rakikirany vaovao i Boris Grebenshikov, izay antsoina matetika ho "Dadaben'ny rock rosiana," ary mety ho feno ny vola fanohanana na dia maro aza ny tsikera.
16 Volana Aty Aoriana, Mbola Tsy Vita Ny Fitsaràna Ireo Mpitoraka Bilaogy Zone9
Mbola mitohy ny fitsarana ireo mpitoraka bilaogy zone9 ary sakanana ireo havany tsy hahazo vaovao momba ny fitsarana. Manakantsakana ny fandrosoan'ny marina ny fanemorana lava any amin'ny fitsarana. Vakio ny tatitra farany nataon'i Endalk Chala.
Topimason'ny Fiainana Andavanandron'ny Ghaneana Asehony Amin'ny Alalan'ny Diezy Twitter
Inona no ataon'ny Ghaneana amin'ny 2:33 ora GMT? Milaza aminao ny valiny ny diezy #233Moments.
Toy Izao No Nitranga Raha Nosazian'ny Fitsarana Rosiana Sazy An-tranomaizina 20 Taona Ilay Okrainiana Mpamokatra Sarimihetsika
Nitarika fahatezerana teo amin'ny Rosiana sy ny Okrainiana ny fanagadrana 20 taona an-tranomaizina an'ilay mpamokatra sarimihetsika Okrainiana Oleg Sentsov ao amin'ny fonja tsara ambina ao Rosia noho ny fiampangana azy ho manao fampihorohoroana
Mamaly Ny Fanamby Napetrak’ireo Mitovy Aminy Miteny Anglisy Ny Vondrom-Piarahamonina Teknolojika Any Afrika Miteny Frantsay
Ny teknolojia any Afrika miteny Frantsay toa vonona ho amin'ny fanamby miaraka amin'ny fiforonan’ny tetikasa vaovao mahabe fanantenana amin'ny fihavaozana nomerika.
Niteraka fihetseham-bahoaka nanerana ny firenena ny finiavan'i Japana hanavao ny bemidina ara-miaramila
An'hetsiny ireo olona manerana ny firenena no nandeha nanohitra ny lalàna vaovao izay mety hamela an'i Japana handeha hiady.