Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Aogositra, 2012
Manome Fialokalofana An'i Julian Assange Mpanorina Ny WikiLeaks i Ekoatera
Taorian'ny fiandrasana ela, nanambara i Ekoatera fa hanome fialofana ara-politika an'i Julian Assange mpanorina ny WikiLeaks. Ao amin'ny masoivohon'i Ekoatera ao Londona i Assange amin'izao fotoana. Naresaka be ny Twitter niaraka tamin'ireo fanehoan-kevitry ny olon-tsotra sy ireo mpifanandrina mivantana amin'ity raharaha ity, toa ny WikiLeaks, Julian Assange, ary ny Birao Britanika misahana ny Raharaham-Bahiny sy ny Tany mampiasa na miteny Anglisy "Commonwealth".
Iran, Israely: ‘Tsy Vonona Ny Ho Faty Amin'izay Adinareo’
Avy amin'ny lohateny lehiben'ireo fampahalalam-baovao mahazatra dia tahaka ny eo an-tokonan'ny ady i Iran sy Israely. Mitohy mandrahona hanafika ireo foto-drafitrasa nokleary iraniana ireo mpanao politika Israeliana, ary ireo manampahefana Iraniana kosa mitanisa ireo teny fanentanany hatrizay milaza ny "hanjavonan'i Israely eo amin'ny sarintany". Nefa arakaraky ny fitomboan'ireo sahoan-dresaka hisian'ny ady eo amin'ny roa tonta, no itomboan'ny hafanam-po mikatsaka fandriam-pahalemana ihany koa
Bangladesh: Manantena Hahita Finday Amin'ny Fiteny Bangla
Miisa 93,8 tapitrisa ireo mpampiasa finday ka mampiasa ny findainy ankamaroan'ireo mpamandrika mba hiantsoana ny hafa.Vitsy dia vitsy ny mampiasa ny someso [SMS]. Araka ny lazain'ny Vaomieram-pandaminana ny fifandraisan-davitra ao Bangladesh (BTRC) dia...
Maoritania: Mandà Ny Fandroahana Azy Ny Lehiben'ny Fitsarana Avo
Niatrika onjanà hetsi-panoherana mitombo izay mitaky ny fandravana ny fitondrana miaramila i Mauritania. Araka ny voalazan'ny mpanohitra[ar], manohitra ny fisian'ny fanjakana misy rafitra ny fitondrana miaramila ho fanampin'ny fikasany hifehy ny fitsarana. Mandritra izany fotoana izany, nandà ny fanapahan-kevitra fanalàna azy amin'ny toerany alohan'ny fahataperan'ny fe-potoam-piasàny ny lehiben'ny Fitsarana Avo ao Maoritania, Seyid Ould Ghailani. Ghailani, izay nipetraka teo amin'ny toerany efa roa taona izao, nandray ity didim-panjakana ity ho tetika fandravàna ny fitsarana sy fitsabatsabahana manala baraka ataon'ny fahefana mpanatanteraka anatin'ny raharahan'ny fahefana mpanao lalàna.
Bahrain: Mibitsika Ireo Fepetra Tsizarizary Ao Amin'ny Fonjaben'i Jaw
Miara-mivondrona ao amin'ny aterineto ireo mpampiasa aterineto Bahraini mba hisarihana ny saina amin'ireo fepetra tsizarizary ao amin'ny fonjaben'i Jaw, izay ahitàna mpanao politika voafonja, ankoatra ireo hafa. Taorian'ny fanampenam-bava ny hetsi-panoherana tao Bahrain ny 14 Febroary 2011, dia olona anjatony no voasambotra, notsaraina sy naiditra am-ponja noho ny fandraisana anjara tamin'ny fihetsiketsehana nanoherana ny governemanta.
Libanona: Fifantohan-tsaina Ho Amin'ireo Olona Tsy Hita Sy Nalaina An-keriny
Ireo fakàna an-keriny tato ho ato, natao hatramin'ny nipoahan'ny Revolisiona Syriana dia nampimpongatra indray ny horohoro tsy miato sy nisarika indray ny saina ho amin'ny olan'ireo olona nanjavona tao Libanona.
Bangladesh, Etazonia : Hazakazaka Am-bisikileta 5000 Kilometatra Ho Fanairana Amin'ny Fiovaovan'ny Toetrandro
Amin'ity lohataona ity, mafana fo avy ao Bangladesh no mitondra bisikileta izay voizin'olon-droa mba hanangona sy handrefy ny habetsaky ny plastika sy ny fako hafa ho hitan'izy ireo mandritra ilay dia lavitr'ezaka 5000 kilaometatra ataon'izy ireo miainga ao Seattle mankany New York. Mitondra hafatra tsotra nefa mafonja izy ireo ny amin'ny fomba fiainan'ny mponina amin'ny firenena iray izay mety hitarika voka-dratsy lehibe amin'ny fiakaran'ny ranomasina sy ny fiovaovan'ny toetr'andro.
Frantsa : #harcelementderue, Ilay Tenifotra Mitantara Ny Fanaovana Zinona Ny Vehivavy Amin'ny Andavanandro
Satria nalam-baraka sy nompain'ireo lehilahy teny an-dalamben'i Bruxelles ny tovovavy Belza iray mpianatra, Sofie Peeters dia namokatra lahatsary iray tamin'ny alalan'ny fakàna sary miafina [nl] mba hiampangana ny fanambaniana vehivavy ataon'ny lehilahy isan'andro an'ireo vehivavy mandeha irery eny an-dàlana eny. Ny sarimihetsika novokariny dia niteraka resa-be tao Belzika ary avy eo tao Frantsa. Eo ambanin'ny tenifototra #harcelementderue, (filam-baniny an-dalambe) mijoro vavolombelona amin'ny filam-baniny amin'ny fiteny sy ny resaka filan'ny nofo, ny ompa zakain'izy ireo eny an-dalambe ireo vehivavy Frantsay
Tonizia: Niharan'ny Herisetran'ny Polisy Ilay Bilaogera Lina Ben Mhenni
Raha nikasa hanatrika fihetsiketsehana milamina tao andrenivohitry Tonizia ilay mpikatroka sady bilaogera Lina Ben Mhenni tamin'ny 5 Aogositra 2012 lasa teo, tsy noeritreretiny mihintsy fa hoavy hanao herisetra aminy ireo izay lazaina...
Tetikasa “Namana ao Januária” ao Brezila : Fanadihadiana Momba ny Fahasalamam-bahoaka Sy Ny Fiarovana

Manohy ny asany amin’ny fanaraha-maso ireo ekipa monisipaly ao amin’ny tanànan’i Januària, ao amin’ny faritra Minas Grais ao Brezily ireo mpandray anjara amin’ny tetikasa fanaovan-gazety an’olo-tsotra Amigos de Januária. Ity tetikasa...