Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Mey, 2012

15 Mey 2012

Rosia: Vohikala Mampiseho Ny Karaman'ny Mpiasam-Panjakana

Akon'ny RuNet

Najoro ny tetikasa “Tombontsoam-bahoaka” [ru] mba hahitan'izay liana hahafantatra ny mombamomba ny karaman'ny mpiasam-panjakana sy ny lefitry ny manampahefana ambony. Narafitra tamin'ny alalan'ny nangonin'ny olona ary navoaka araka izay mifanaraka amin'ny lalàna Rosiana ny fampahafantarana. Ankoatra ny fampahalalana ankapobeny momba ny fidiram-bola, misy antontan'isa hafa mahaliana ihany koa hita ao,...

Hankatò Ny Fampitam-Baovaon'Olo-Tsotra Ny Loka Robert F. Kennedy

Miantso ny hisian'ny fifantenana ny Lokan'ny Fanaovan-gazety momba ny Saripika Iraisampirenena sy ny Valan-tserasera Iraisampirenena ny iray amin'ny fikambanana iraisampirenena miaro ny zon'olombelona lasa aloha indrindra, ny Robert F. Kennedy Center, izay ampiantranoan'ny Sampana [Birao] Eoropeana ao Florence, Italia. Hankatò ny zava-bitan'ny matihanina sy ny mpianatra manadihady ny resaka zon'olombelona sy ny fisoloana...

Espaina: Mivelatra Ihany Koa Ny Zavakanto Ao Amin'ny Lohataona Ankapobe

Ny 12 Mey (12M) ka hatramin'ny 15 Mey (15M) [es], Miaina hetsika sosialy eny an-dalambe hanoherana ny fifehezan'ny banky sy hitaky ny isian'ny rafitra demokratika, andraisan'ny besinimaro ary [salama] mety kokoa ny ao Espaina. Noho ny fiitaran'ny fihetsiketsehana sy ny tsy fahafaliana amin'ny ankapobeny, nahatratra ny tanjony hitombo sy hahazo ny...

12 Mey 2012

Rosia: Ustream.tv Voatafika Noho Ilay Bilaogera Rosiana

Akon'ny RuNet

Ny marainan'ny 9 Mey 2012, nisy olo-tsy fantatra nanafika tamin'ny alalan'ny DDoS (Distributed Denial of Service) ny vohikala mpikarakara mivantana Ustream.tv. Araka ny nolazain'i Victoria Levy avy ao amin'ny Ustream.tv, avy amin'ny IPs an'arivony, miorina any Rosia, Kazakhstan ary Iran ny fanafihana. Nitodika tany amin'ny mpisera iray manokana [ny fanafihana]...

09 Mey 2012

Shina: Voasambotra Ilay Vehivavy Mahery Fo Tao Ambadik'ilay Fitsoahan'i Chen Guangcheng

Voasambotra i He Peirong, Shinoa iray mafana fo nanampy an'ilay jamba mafana fo amin'ny zon'olombelona sady mpisolovava, Chen Guangcheng hitsoaka ny fanaraha-maso akaiky azy.

08 Mey 2012

Yemen: Firy Ny Vehivavy Niharan'ny Faneriterena Ara-Nofo?

Niteraka resa-be nahafanina tety anivon'ny aterineto ny lahatsoratra iray [ar] nivoaka taminà gazety Arabo Al Hayat tamin'ny 2 May, nilaza fa 90% amin'ny vehivavy Yemenita no niharan'ny faneriterena ara-nofo

07 Mey 2012

Kiobà: Aiza Ny Fahalalahan'ny Fanaovan-Gazety?

Andron'ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny andro androany (3 Mey 2012) – saingy eo amin'ny tontolon'ny bilaogy ao Karaiba, mpamahana bolongana vitsy an'isa no hany mba naneho hevitra mikasika ny lohahevitra. Nandefa vaovao mikasika izany andro izany ny Notes from the Cuban Exile Quarter, izay nanazava hoe:’ Nanambara ny Firenena Mikambana tamin'ny 20 Desambra 1993 fa ny...

06 Mey 2012

Best of the Blogs 2012: Nambara Ireo Mpandresy

Tapaka ary fantatra ny mpandresy mahazo loka Best of the Blogs - the BOBs [Bilaogy Tsara Indrindra] rehefa nandalo fifidianana iray volana sy fifandresen-dahatra teo amin'ny samy mpitsara.