Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Avrily, 2012
Arzantina: “Tsy Matoky Ny Sekoly Aho Fa Mino ny Soa Azo Avy Amin'ny Fanabeazana”
Namoaka ny voalohany indrindra amin'ny andian-dahatsary manindry letam-pahefana ny rafi-pampianarana mahazatra mitondra ny lohateny hoe Tsy matoky ny sekoly aho fa mino ny soa azo avy amin'ny fanabeazana ny Educación Viva (Miaina ny Fanabeazana). Ao amin'ny lahatsary ahitana dika an-tsoratra no ahitana lahy sy vavy mihoatra ny 20 miantsa an-tononkalo ny mahasamy hafa ny rafi-pampianarana sy izay heverin'izy ireo ho fanabeazana.
Tonizia: Fihetseham-po Samihafa Tamin'ny Fisovohana Ny Mailaky Ny Praiminisitra
Niditra an-tsokosoko tamin'ny mailaky ny praiminisitra Toniziana Hamadi Jebali tamin'ny 8 Aprily teo ny Anonymous Tonizia (izay milaza fa sampan'ny vondrona mpisovoka (hackers) Anonymous). Hetsika tafiditra amin'ilay hetsika goavana ” Operation Tunisia Back” (Miverina i Tonizia) io Hetsika Avelao i Toniziako “Operation Touche pas à ma Tunisie” io. Ny ampitson'ny revolisiona taona 2011, mpikambana ao...
Podcast Global Voices: Ny Lafy Tsara Sy Ny Lafy Ratsin'ny Fanentanana Antserasera
Amin'ity andiany podcast Global Voices ity, hiaraka amintsika eto i Yazan Badran, mpanoratra ao amin'ny Global Voices Syrie monina ao Japana. Ny lohahevitry ny podcast dia: ny lafy tsara sy ny lafy ratsin'ny fanentanana ankampobe ao amin'ny valantserasera.
Bolivia: Manery Hahazoana Aterineto Tsara Kokoa Ireo Mafana Fo
Any Bolivia, anivon'ireo lafo inrindra eran-tany ny fidirana Aterineto. Meda ny tolotra ary tsy mbola misokatra ho an'ny ankamaroan'ny mponiny. Misy vondrona mafana fo iray misolo vava na ao amin'ny aterineto na tsia ho ana fidirana aterineto ara-dalàna kokoa.
Mali: Mangina Tanteraka Ny Serasera Ao An-toerana
Tototry ny bilaogy, tweet, sy lahatsary avy any ivelany ny tontolon'ny aterineto, somary mangingina kosa ny mpiserasera maliana. Satria iharan'ny fahatapahan-jiro lava matetika ny renivohitra Bamako kanefa tsy misy ny lasantsy tokony hampadehanana ny tobim-pamatsiana herinaratra. Tsy ny fandefasana lahatsoratra arak'izany no vaindoha-draharaha fa ny ahitana vaovao momba ny zava-mitranga ao Avaratra.
Sahiran-tsaina Izao Tontolo Izao Noho Ny Zava-mihatra Amin'ilay Mpikatroka Bahrainita
Naneho ny ahiahiny ny mpiserasera manerana izao tontolo izao manoloana ny tsy fanajana ny zon'olombelona izay mihatra amin'ilay mpitolona Bahrainita Abdulhadi Alkhawaja. Sazy an-tranomaizina mandrampahafaty no didy navoakan'ny manampahefana ao Barhein ho azy tamin'ny taon-dasa, ka nitokona tsy hihinankanina izy noho izany nanomboka ny 8 Febroary 2012 mba hanaovana fanairana noho ny fanagadrana az
Syria : Nosamborina tao Damas Ilay Mpikatroka Rima Dali Noho Ny Fanentanany Hampitsahatra Ny Famonoana Olona
"Atsaharo ny famonoana olona. Te hanorina Syria vaovao ho an'ny Syriana rehetra izahay.” Izany no teny hita tamin'ny sorambaventy nolanjain'i Rima Dali teo anoloan'ny antenimieran'ny Syriana ao Damas, tamin'ny Alahady 8 Aprily lasa teo, taorina kely ny nisamborana azy.
Koety: Mandrehitra Ny Labozian'ny Fahafahana Ny Bedoon
Ho fanoherana ireo politika fanavakavahan'ny fanjakana sy ireo fisamborana mitanila, nanapa-kevitra ny handrehitra labozia any an-tranony avy sy hamoaka ny sarin'izany ao amin'ny Twitter ny vondrom-piarahamonina tsy voasoratra ho isan'ny olom-pirenena any Koety (Bedoon).
Panamà: Mandrisika Ny Filoha Hanasonia Ny Lalàna Miaro Ny Biby Ireo Mpampiasa Aterineto
Nanaiky lalàna vaovao miaro ny biby fiompy ny Antenimieram-pirenenan'i Panamà. Andro maro aty aoriana nefa, mbola miandry ny faneken'ny filoham-pirenena izany lalàna izany. Mandritra izy fotoana izay, miady hevitra mikasika io lalàna io ireo mpampiasa aterineto ao anatin'ireo tambanjotra sosialy, manosika ny fanekena izany amin'ny alalan'ny fandefasan-kafatra mba hangatahana ny Filoha hanasonia izany.
Pakistana : Fihetseham-po Teo Noho Eo Tamin'ny Fahafatesan'Ilay Mpitarika Nasionalista Sindhi
Ny 23 Martsa, Karachi (Sindh) dia nampiatrano fivoriana lehibe ho an'ny fahaleovantenan'i Sindh amin'ny fanjakana ao Pakistana. Ilay fivoriana lehibe dia nokarakarain'ilay Jeay Sindh Qaumi Mahaz (Ho ela velona ny Manda Nasionaly Sindh) teo ambany fifehezan'i Bashir Khan Qureshi izay nanao ny fampielezan-kevitra tamin'ilay fivoriana mba hahazoana fanohanana avy amin'ny olona...