· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Desambra, 2011

Syria: Afaho i Razan Ghazzawi

Nosamborin'ny manampahefana Siriana tao amin'ny sisintany manasaraka an'i Jordania sy Syria androany (Alahady 04 Novambra2011) ilay bilaogera Razan Ghazzawi. Teny an-dàlana hanatrika ny atrikasa momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety eo amin'ny tontolo Arabo izay hatao ao Amman i Ghazzawi no izao voasambotra izao. Niteraka fanakianana sy hatezerana avy amin'ireo bilaogera sy mafàna fo maro manerana ny tany ny fisamborana azy, izay mangataka ny hamotsorana azy tsy misy hatak'andro.