· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Septambra, 2011

Danemarka : Farany, Niantso Fifidianana Ny Praiminisitra

  22 Septambra 2011

Androany(26 Aout 2011), nanala ny fitaintainan'ny Danoa ihany ny Praiminisitra Danoa Lars Løkke Rasmussen nony farany, tamin'ny fiantsoana fifidianana parlemantera : ny andro lehibe dia afaka telo herinandro, ny 15 septambra. Maria Grabowski no manolo-tena mitatitra indroa amin'ny aterineto ny nateraky ny fiandrasana ela ny fanambaràn'ny PM.

Filipina: Fiainam-pitiavana “Aotra”-n'ny Filoha

  22 Septambra 2011

Ny Filohan'i Filipina Noynoy Aquinon, mpitovo, nampitaha ny  fiainany ara-pitiavana amin'ny zava-pisotro malefaka nandritra ny  fitsidihany ofisialy mandritra ny 5 andro tany Shina, tsy niteraka fihomehezana ihany izany fa niteraka tsikera an-tserasera ihany koa. “May nagtanong ho kasi sa akin, sabi niya, ‘kamusta love life mo?’ Eh ang sabi ko...

Zambia: Ampiasaina Tsara ny Valantserasera Hanaraha-maso ny Fifidianana 20 Septambra

  20 Septambra 2011

Natsangana hampiasana ny herin'ny valan-tserasera ny Bantu Watch, vohikala natsangan'ny fiaraha-monim-pirenena entina hanaraha-maso ny fifidianana hototosaina ao Zambia amin'ity 20 septambra ity. Natsangana avy amin'ny sehatra Ushahidi ny Bantu Watch handrisihana ny mpifidy sy ny antoko mandray anjara hitatitra izay mety ho fisiana tranga-na herisetra mandritra ny fotyoam-pifidianana, na kabarim-pankahalana,...

Bangladesh : Ny Adihevitra Momba Ny Sata Ao Amin'ny Facebook

  19 Septambra 2011

Facebook dia manomboka ho filazam-baovao ara-tsosialy fanta-daza ao Bangladesh toy ny any amin'izao tontolo izao, kanefa ny satanao ao amin'ny Facebook dia mety hitera-doza ihany indraindray. Nisy ny fanapahan-kevitra noraisin'ny fitsarana nampiharina tamin'ilay mpampianatra mipetraka any ivelany, izany no vokatry ny sata napetrany tao amin'ny Facebook.

Maraoka: Mitatra Ny Fisamborana Ireo Mafàna Fo

Tampotampoka teo dia nitatra ny fisamborana ireo mafàna fo mpomba ny demaokrasia sy ireo mpanentana anaty aterineto tao Maraoka, tato anatin'ny andro vitsy. Tamin'ny herinandro lasa fotsiny dia efa nisy telo. Zara raha miteny momba izany ny mpampahalala vaovao ary dia nandray an-tànana ny fitaterana ireny fisamborana ireny ireo bilaogera izay vao taitra ny fampahalalam-baovao nentin-drazana tao Maraoka handray ny tantara.

Meksika: Hero Reports, Fampidirana An-tsarintany Ireo Hetsika Mahafinaritra

  13 Septambra 2011

Ny Heroreports dia tetikasa tsy itadiavan-tombotsoa manokana naompana tamin'ny fanangonana vaovao avy eny ifotony sy fananganana sarintany itaterana ny risika sy ny fitondrantena mendriky ny olom-pirenena eny anivon'ny fiainam-piarahamonina eny. Nanomboka tao Ciudad Juárez, Meksika izy ity, toy ny hoe fandraisana andraikitra nataon'ny Foibe MIT ho an'ny Media-n'olon-tsotra antsoina hoe "Crónicas de Héroes"