Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Mey, 2011
Pakistana : Nampiova ilay toeram-pisotroana kafe ny fahafatesan'i Ben Laden
Nitondra hafaliana tsy ho an'i Etazonia sy ny filohany Barack Obama ihany fa koa ho an'ny mpandraharaha sasany ao an-toerana ny fahafatesan'i Oussama Ben Laden tao Abbottabad, ao Pakistan. Coffity, toeram-pisotroana kafe ao an-tanàna, nanjary toerana faharoa be mpitsidika indrindra ao an-tanàna takaikin'ilay trano namonoana an'i Ben Laden. “Toeram-pisotroana kafe voalohany ao...
Okraina: Mpanao politika mpisera ao amin'ny Facebook sy Twitter
Mihoatra ny iray tapitrisa izao ny vahoaka Okrainianina mampiasa [uk] Facebook ary mihoatra ny 80,000 ireo mpampiasa [en] Twitter, mihamaro dia maro ireo mpanao politika Okrainiana no misafidy ny hiditra mpikambana amin'ireo tambazotran-tserasera ireo. I Tetyana Bohdanova dia nanome lanja ny fikarohana sasany izay nataon'ny tompon'andraikitra Okrainiana eo amin'ny resaka aterine sy ny vohikalan'ny haino aman-jery mpifaninana ara-tsosialy rehetra Watcher.com.ua mametraka rafitra ahafahana mijery ny filahatr'ireo mpanao politika manana ny lazany ireo amin'ny alalan'ny kaontin'izy ireo eo amin'ireo tambazotran-tserasera Twitter sy Facebook.
Tonizia: bilaogy nandà ny loka notohanan'ny governemanta Barhainita azony
Nahazo ny Amboara Arabo eContent 2011 ny vavahadin-tserasera bilaogy Toniziana Nawaat, ao amin'ny sokajy e-fandraisana anjara sy fampandraisana anjara Loka Arabo eContent 2011 . Fifaninanana nokarakaraina sy notohanan’ ny governemanta Barhainita ara-bola ny Arabo eContent. Mpikambana ao amin'ny Nawaat, sehatra bilaogy iraisana izay nampahafantatra amim-pivitrihana amin'izao tontolo izao ny fikomiana toniziana tamin'ny fanonganana...
Kiobà: Voarara ny Fiverenan'ilay Mpampianatra sady Bilaogera Amerikana
Ted Henken, mpampianatra ao amin'ny kolejy Baruch ao an-tanànan'ny Oniversité New York (CUNY), bilaogera mahay manoratra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Kiobana, no nampandrenesin'ny minisiteran'ny Fiarovana Kiobàna fa tsy afa-miverina ao amin'ny nosy izy. Nandritra izay 12 andro nijanony izay, niresaka tamina bilaogera maherin'ny 40 momba ny bilaogy sy ny aterineto ao Kiobà...
Syria: Tatitra momba ny Fahatapahan'ny Fifandraisan-davitra, Fihetsiketseham-pahatezerana
Mpisera Twitter ao Syria no nitatitra fa nisy fahatapahana ny fifandraisan-davitra aterineto fitondra androany, mbola mitohy hatrany ny fihetsiketsehana manerana ny firenena Furious Syrian nitatitra hoe: Nihena ny fampiasana aterineto fitondra sy ny fandrakofana 3G manokana ao #Syria. Ny roa sy ny mpandraharaha momba ny finday ihany no an'i cousin...
Okraina: Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety Miteraka Fifanakalozan-dresaka Momba ny Toerana Misy ny Fampahalalam-baovao
Ny Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety, dia nandika avy amin'ireo fifanakalozan-dresaka tao anaty aterineto i Tetyana Bohdanova mikasika ny toerana misy ny fampahalalam-baovao ao Okraina sy ny mety ho antony ao ambadiky ny faneriterena ny fahalalahan'ny gazety ao amin'io firenena io.
Pakistana: Fanehoankevitra Noho Ny Fahafatesan'i Osama Bin Laden
Efa ela talohan'ny kabarin'ny Filoha Amerikana Obama no niraraka tao amin'ny twitter ny vaovao fa hoe maty i Osama Bin Laden ary efa nanapaingotra izay vaovao izay daholo ny mpampahalala vaovao rehetra. Tsy ela ny tontolon'ny twitter dia nanomboka nipoaka noho ireo bitsika avy amin'izao tontolo izao. Ny marina dia nanomboka naneho hevitra voalohany tao amin'ny twitter ry zareo Pakistane nandritra ny fanafihana ny toerana namaharan'i Bin Laden.
Però: Fotoam-Panombohan'ny Fihodinana Faharoa Amin'ny Fifidianana
Herinandro vitsy talohan'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidiannaa ao Però, isafidianana amin'ireo mpifaninana, dia ry Gana Perú, Ollanta Humala Tasso sy ny zanaka vavin'ny filoha taloha Alberto Fujimori, Keiko Sofía Fujimori (ho an'ny Fuerza 2011), ny fitombon'ny fisamahan'ny fiarahamonina Peroviana, sy ny anjara toeran'ireo mpifidy no tena mivandravandra kokoa na any anaty gazety samihafa na any anaty tambajotra sosialy.