· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Avrily, 2011

Serbia: Famaliana ny soa nataon'i Japoney

  08 Avrily 2011

Manao tatitra mikasika ny finiavan'ny vahoaka Serba eo amin'ny fanampiana ireo Japoney niharam-boina tamin'ny zava-doza niseho i Sasa Milosevic ary namaly am-pankasitrahana ny fanampiana natolotr'i Japana ho an'i Serba ny vahoaka Serbiana.

Syria: Tafaverina soa aman-tsara any an-tranony ny anankiroa, mbola tsy hita kosa i Khaled El Ghayesh

Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana momba ny fanoherana tany Syria 2011 ity . Tamin'ny herinandro lasa teo, ilay teratany amerikana ejipsiana Muhammad Radwan (fantatra amin'ny @battutta ao amin'ny Twitter) no nosamborina tany Syria satria nampangaina ho mpitsikilo sy nahazo fangatahana avy any ivelany handefa sary sy lahatsary momba an'i Syria. Tamin'ny 01 aprily, nilaza...

Côte d'Ivoire: Asa Famonjena Noho ny Maha-Olona Amin'ny Alalan'ny Tenifototra Ao Amin'ny Twitter

  04 Avrily 2011

Anatin'ny korontana ara-politika misy ankehitriny ao Côte d'Ivoire, ny tenifototra #civ2010 ao amin'ny twitter dia nanjary loharanom-baovao nànana ny toerany teo amin'ny firenena. Na izany aza, maro ireo mpampiasa twitter no nampiakatra ny feony ka nitaraina fa ilay tenifototra dia nanjary lasa fitaovana nampiasain'ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany handrehetana ady.. Tenifototra iray vaovao, #civsocial, no noforonina mba hifampizaràna zavatra mikasika ny famonjena noho ny maha-olona.

Fanenjehana mpitoraka blaogy liberaly jiosy

GV Mpisolovava  03 Avrily 2011

Richard Silverstein, jiosy liberaly iray mpitoraka bilaogy, no iharan'ny fanenjehan'ny elatra havanana mahery fihetsika avy amin'ny  nationaliste sy ara-pivavahana. Tao amin'ny bilaoginy Tikun Olam, namoaka filazana iray i Silverstein izay nalefa avy tany amin'ny mpisolovava azy, David Yerushalmi- miampanga azy ho manala-baraka. “Mila tsiny betsaka aho fa voatery hiverina kely amin'ny...

Syria: Fanoherana ny Kabarin'ny Filoha Assad

Nanao kabary tamin'ireo solombavambahoaka Syriana ihany ny Filoha Bashar Al Assad tamin'ny Alarobia 30 Martsa rehefa niandry ela sy nangataka andro maromaro. Niarahaba azy tamin'ny alalan'ny tehaka mirefodrefotra sy horakoraka ireo solombavahoaka tamin'ny fahatongavany tao, ary matetika ny kabary nataony no notapahan'ny solombavambahoaka iray manao tononkalo fiderana.

Taiwan: Antso mba hanopaza-maso ny politikan'ny angovo

  02 Avrily 2011

Nampitahotra ny vahoakan'i Taiwan ny tranga niseho tany amin'ny toby nokleary any Fukushima any Japana, momba ny fiarovana ny toby nokleary any amin'ny fireneny. Mba hamadihana ny olana misy amin'izao fotoana ho politika maharitra ho an'ny governemanta, mpampiasa aterineto maro no nangataka ny governemanta Taiwanais mba hamerina handinika tsara ny politikam-pirenena momba ny angovo sy ny orinasa.