· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Febroary, 2011

Tontolo Arabo: Mitohy ny fitroàrana

Fotoan'ny revolusiona izao manerana ny tontolo Arabo, miaraka amin'ny vahoaka mijoro sy miantso fiovàna ara-politika, ekonomika sy ara-tsosialy. Fifanatonana, fanaovana fihetsiketsehana sy fanoherana manerana ny faritra no mameno ny fandaharam-potoanantsika, miaraka amin'ny vaovao mahavaky fo amin'ny fomba ataon'ny governemanta Arabo iray aorian'ny fampiasan'ny iray ny paikady mitovy hamdravàna ny fanoherana sy ny hampanginana ny feon'ny mpanohitra. Ireto misy fihetseham-po avy amin'izao tontolo izao manaraka ny fandehan'ny revolisiona eo amin'ny faritra

Macedonia: Global Voices Nasongadina tamin'ny Fandaharan'ny Fahitalavitra

  24 Febroary 2011

Filip Stojanovski, mpanoratra ao amin'ny  Global Voices dia noraisim-peo [amin'ny teny  makedoniana] ho an'ilay fandaharan'ny fahitalavitra Nie (”Isika”) momba ny lohahevitra : “Kale, Aterineto, Antoko politika, Facebook !? An'iza ny tsiny?”. Tamin'izany no niresahany ny toerana lehibe misy ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra sy ny Global Voices. Ilay fandaharana dia nampiseho ampahany ihany...

Madagasikara: Adihevitra amin'ny fikasan'ny filoha teo aloha Ravalomanana hiverina an-tanindrazana

  23 Febroary 2011

Vao avy namely an'i Madagasikara ny rivo-doza tropikaly Binziga, nahafaty olona enina ary namela olona 7,500 tsy manan-kialofana. Kanefa dia mbola mifantoka amin'ny fiverenan'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ihany ny sain'ny maro, izay nanao fanambarana ary nanao fanambarana nandritra ny fihaonany tamin'ny mpanao gazety tany Johannesburg fa hiverina avy nanao sesintany tany Afrika Atsimo ny tenany.

Bahrain: Niteraka Haromontana sy Tsy Fitokisana ny Vaovao Mikasika Ilay Fanafihana Tamin'ny Vao Mangiran-dratsy

Raha nifoha maraina handeha hamonjy ny toeram-piasana ny vahoaka rehetra manerana an'i Bahrain androany (Alakamisy faha 17 Febroary, 2011) dia taitra raha naheno vaovao mikasika ny fanafihana nataon'ny mpitandron'ny filaminana tamin'ny andro vao mangiran-dratsy an'ireo mpanohitra ny governemanta izay nilasy tao Fihodinan'i Lulu renivohitr'i Manama. Nitobaka ny fanehoana haromontana, tahotra sy tsy finoana ny zava-nitranga tao amin'ny vohikalan'ireo tambazotra sosialy Facebook sy Twitter.

Iran: VOA nosovohan'ny “Cyber Army”

Nosovohan'ny [no-pirate-n'ny] “Cyber Army” [Tafika an-tseraseran'i] Iran ny tranonkalan'i Voice of America androany [talata] ka nametrahany hafatra ho an'i Hilary Clinton: “Rtoa. Clinton, Tianao ho heno ve ny feon'ny firenena voatsindry? Tsy ho voafitak'i Etazonia intsony ny firenena silamo, ary tianay ianao hampitsahatra ny fitsabahanao any amin'ny firenena silamo.”

Libya: Fahafatesana mialoha ny Fahafahana (Lahatsary)

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fitroarana 2011 any Libya. Ao anatin'ny toe-draharaha mampidi-doza sady miova haingana dia haingana ao an-toerana – sy amin'ny alalan'ny serasera nomerika tsy dia tsara loatra – no anombohan'ny mponina any Libya mamoaka saripika sy lahatsarin'ny fitroarana manohitra an'i Muammar Al...

Tontolo Arabo: Adihevitra Goavan'ny Fampitam-Baovao Sosialy

Efa am-bolana raha ny fijery azy no mafotaka ny adihevitra momba ny anjara toeran'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra tamin'ireo fihetsiketsehana. Tsy ela akory izay, nifantoka tamin'i Tonizia sy Ejipta izany adihevitra izany, izay ny tranonkala toy ny Facebook sy Twitter no tena nitana toerana lehibe tamin'ny fandrindràna ny hetsika. Ity ny singany iray amin'izany adihevitra izany, avy tao amin'ny Twitter.