Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika

10 Marsa 2019

Sangy Ratsin-dry zareo Rosiana Momba ny Sivana Anaty Aterineto

Akon'ny RuNet

Namorona fomba saro-takarina sy tsy hampahazo aina an'ireo mpanivana, ary hatramin'ireo tranonkala mpomba an'i Kremlin ireo mpikatroka ao amin'ny RuNet mba hialàna amin'ny sivana sy ho famaliana bontana.

07 Marsa 2019

Noafahana i Mahmoud ‘Shawkan’ Abu Zeid mpaka sary fanao an-gazety rehefa nigadra nandritra ny dimy taona mahery tany am-ponja

GV Mpisolovava

Nandany efa-taona teo ho eo nandritra ny fitazonana azy vonjimaika mialoha ny fanamelohana azy i Shawkan, izay niasa ho an'i Demotix tamin'ny fotoana nisamborana azy.

06 Marsa 2019

Manao hetsika fanoherana ny fakàna an-keriny sy ny famonoana azy ireo ny vehivavy Meksikana

Olona maherin'ny 150, vehivavy ny ankamaroany no nalaina an-keriny tanaty metro tao an-tanandehiben'i Mexico tao anatin'ny efa-taona.

05 Marsa 2019

Maraoka : Ilay lahatsoratra nampiditra am-ponja an’i Mohammed Erraji

Nogadraina tao amin’ny fireneny nanomboka tamin’ny 8 Septambra 2008, ilay bilaogera Maraokana, Mohammed Erraji , noho ny fanakianany ny fanjakana. Ireto ambany ireto ny fandikana ny ampahany tamin’ilay lahatsoratra izay nahazoany roa taona an-tranomaizina.

04 Marsa 2019

Malawi : Ny fifidianana miaraka amin’ny Aterineto

Vaovao tamin'ny maro izany habaka amin'ny tranonkala izany, nandritra ny fifidianana, 10 taona lasa izay. Ankehitriny efa nivoatra tanteraka...

02 Marsa 2019

Ejipta : Nosamborin’ny tafika ary navotsotra avy eo i Wael Abbas

Nosamborin'ny tafika nandritra ny adiny iray teo ho eo ilay bilaogera fanta-daza mpiaro ny zon'olombelona Wael Abbas ka nahatonga ny namany sy ny olom-pantany nihetsika tamin'ny fikarohana azy. Nafahana izy taorian'izay. Ankoatra izany, mbola tsy misy vaovao momba ilay mpiasan'i Google Wael Ghonim, izay nanjavona ny 25 Janoary 2011.

28 Febroary 2019

Voatsikera tao amin'ny media sosialy noho ny fomba fiakanjony ilay Breziliana vehivavy mpanao lalàna

"Kely loatra ny fandraisan'ny vehivavy anjara eo amin'ny fiarahamonina hany ka ny akanjo mampiseho tratra avy no lasa miteraka olana goavana ."

27 Febroary 2019

Mikasa ny hanara-maso ireo bilaogera ihany koa i Malezia

GV Mpisolovava

Nanolotra torolàlana hifehezana ny tontolon’ny bilaogy i Malezia taorian’ny fanapahan-kevitr’i Arabia Saodita hanara-maso akaiky ireo bilaogera sy ny tranonkala vaovao ao amin’ny Aterineto.

23 Febroary 2019

Nofenoin'ireo mpiserasera sary-sy-soratra momba ny sivana ao Shina ny Reddit

GV Mpisolovava

Raha mikaroka ny teny hoe "Shina" ao amin'ny Reddit ianao amin'ity herinandro ity, dia hahita meme ara-politika marobe -- manomboka amin'ny sarin'ny Kianjan'i Tiananmen "Tank Man" hatramin'ny Winnie the Pooh sy ny Terminator.