· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Oktobra, 2018

Koety: Eto & Any

Miresaka mikasika ny ankehitrininy sy ny lasany ireo blaogera Koetiana amin'ity herinandro ity. Raha toa ka, eo amin'ny manodidina azy, mikaroka aingampanahy sy tetikasa ho an'ny hoavy ny blaogera roa, miroboka ao amin'ny tantara kosa ny iray hafa mba hamerenana ireo zon'ny Koetiana amin'ny fandidiana mikasika ny hoaviny. Mitatitra i Abdullatif AlOmar.

16 Oktobra 2018

Fitaovana antserasera hanaraha-maso ny fiovaovan'ny toetr'andro

Namonjy ny Fihaonambe momba ny fiovaovan'ny toetr'andro tany Copenhagen (COP15) tamin'ny desambra 2009, ity ny santionan'ireo fitaovana an-tserasera hanaraha-maso ny fikorontanan'ny toetrandro. Amin'ny fampiasana ireo fitaovana ireo, dia afaka mahafantatra bebe kokoa momba ireo fiantraikany ny olon-tsotra, ary manampy amin'ny fanerena ireo mpanapa-kevitra mba hijery vahaolana.

13 Oktobra 2018

Libanona: Fanontaniana Azo Ambara Ho Tsy Politika

Inona no hanintsika? Nahoana ireo bankintsika no miroborobo? Iza no mandraoka an'ireo baomba miparitadritaka? Ahoana no hanampian'i Brezila amin'ny fanodinana ireo fako libaney? Nankaiza ireo ankizy izay voafandrika teny anelanelan'ireo tifitry ny andaniny sy ankilany nateraky ny ady? Ary mozika kely koa. Ireo no fanontaniana vitsivitsy izay ahitàna valiny any anatin'ny fijerena ny tontolombolongana libaney tamin'ity herinandro ity. Ndeha atombontsika amin'ireo fanontaniana telo momba ny fisiana napetrak'i Mazen Kerbaj [En]. Ao anatin'ny asa eto ambany, manontany izy manao hoe "Iza isika? Iza no mahalala? Iza no hameno ny banga?"

06 Oktobra 2018