Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Jolay, 2018

11 Jolay 2018

Tabataba be ao Zimbaboe

Maro ny adihevitra tao Zimbabwe nandritra ny herinandro lasa. Resabe tsy misy dikany, izany no misy. Ny fivoarana lehibe indrindra amin'ny vaovao navoakan'ny firenena dia i Gideon Gono, governora mampiadihevitra ao amin'ny banky foiben'i Zimbabwe izay namoaka  fanambarana ara-bola efa nandrasana mafy tamin'ny herinandro lasa teo.

10 Jolay 2018

Mitendry i Torkia….ny fifaninanan-kira Eurovision

Na dia mbola misy aza ny hetsi-panoherana ny filoham-pirenena manerana an'i Torkia, dia nieritreritra aho fa amin'ny lahatsoratra amin'ity herinandro, mety tsy hitovy hevitra amin'ny vinavina somary lehibe kokoa sy mampiala voly eo amin'ny kolontsaina Tiorka isika .... ny Fifaninanan-kira Eurovision!

07 Jolay 2018

Jamaika : 46 Taona ny Fahaleovantena (2008)

Nisy fahombiazana, nisy tsy fahatomombanana, nisy fandrosoana niteraka faharisihana ary nisy koa ny setriny nandiso fanantenana. Mila maka fotoana isika handinihantsika ny tenantsika. Tsy maintsy raisintsika ny fanapahankevitra hanorina miainga avy amin'ny fahombiazantsika sy hirotsaka indray amin'ireo kianja izay naharesy antsika

Kyrgyzstan: Fitsapan-kevi-pirenena, vehivavy mpitsikilo tao amin'ny parlemanta

Niresaka tamim-pivitrihana ny vokatry ny fanadihadiana nasionaly notarihan'ny Ivon-toerana Repoblikana Iraisam-pirenena tamin'ny volana Mey 2007 ny tontolon'ny bilaogy Kyrgyztan, izay mponina Kyrgyz 18 taona no miakatra teo amin'ny 1500 teo no nandray tamin'izany fanadihadiana izany. 

05 Jolay 2018

Tafakatra ambony dia ambony mampanahy ny tahan'ny fampijaliana ankizy aty Madagasikara

89% n'ny ankizy no nilaza fa efa nampijaliana ara-batana indray andro tao an-tranony ary 30% amin'ireo tovovavy tsy ampy taona no efa no efa manan-janaka

04 Jolay 2018

India: Vehivavy tantsaha mitsangana hiady amin'ny fikorontanan'ny toetrandro

Resadresaka Hanatsarana ny Tany

Vondrom-behivavy iray ao India no naneho fa na dia eo aza ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy sy ny fahantran-dry zareo, dia mety ho lasa fitaovana mahery vaika izy ireo amin'ny fiadiana ny fikorontanan'ny toetr'andro sy hampihena ny fandefasana etona mahatonga izany.

03 Jolay 2018

Angola : Nesorina tamin'ny lisitra maintin'ny Vondrona Eoropeana ny zotra an'habakabaky ny firenena

Rehefa nitsahatra nandritra ny roa taona, nokinasa hanomboka indray tamin'ny voalohany aogositra 2009 amin'ny alalan'ny Boeing 777-200ER ny sidina mampifandray an'i Luanda an'i Lisbonne voalohany ataon'ny TAAG.