· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Avrily, 2018

Ozbekistana: Mikolokolo Ny Fahalalahana Miteny Ny Fanaovana Blaogy

  16 Avrily 2018

Vao haingana, nokilasian'ny Departemantam-panjakana Amerikana ho anisan'ireo firenena "folo voalohany" amin'ireo firenena tena mpanao didy jadona erantany i Ozbekistana. Nandritra ny efa ho roapolo taona nanjakany, ny filoham-pirenena I. Karimov sy ny ankolafiny no nandray an-tanana ny fifehezana ireo lafim-piainana rehetra ao amin'ny firenena - ara-politika, ara-toekarena ary ara-tsosialy.

Global Voices Any amin'ny Zaikabe Iraisam-pirenen'ny We Media

  07 Avrily 2018

Ity no Zaikabe Iraisam-pirenen'ny We Media faharoa karakarain'ny Media Center an'ny Ivontoeran'ny Fanaovangazety Amerikana, izay hatao any Lôndôna. "Fitokisana" no lohahevitra hodinihina amin'izany, koa tongava ary ampio izahay hitady ny valin'ireo fanontaniana maro, na hamerina handrafitra ny adihevitra amin'ny fametrahana fanontaniana vaovao!

Però: Manentana Momba Ny Olan'ny Rano Ny Mponin'i Lima

  01 Avrily 2018

Ny 18 aprily 2010, natao manerana izao tontolo izao ny Dow Live Earth Run for Water. Ahitana andiana hazakazaka/mandeha miadana amin'ny halavirana 6 km ity hetsika ity, izay mampiseho ny halavirana antonony handehanan'ny vehivavy sy ny ankizy isan'andro mba hahazoana rano