· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Novambra, 2012

Fahalotoan'ny Rano Mitera-doza Ho An'ny Aina Sy Ny Tontolo Iainana Ao Amin'ny Tany Hay Tengger

  07 Novambra 2012

Tato anatin'ny andro vitsy, ireo mpikambana ao amin'ny tarika Yellow River 10-Year Investigation [zh] - Fanadihadiana isaky ny 10 taona momba ny Renirano Mavo - dia nanomboka nitatitra ny teo-draharaha mikasika ny fahalotoan'ny rano ao amin'ny tany efitr'i Tengger any Mongolia Afovoany. Milaza ilay tarika fa misy rano miloko mainty avoakan'ny indostria simika mpanodina arintany ao amin'ilay distrika be indostria mandoto ireo rano ambanin'ny tany any amin'io tany efitra io, manimba ny faritra fiompian'ireo mpiompy any an-toerana ary mitondra loza mitatao amin'ny fiainan'ireo miaina ao amin'ilay tany efitra.

Saint Lucia : Akondro Loharanon'Angovo Azo Havaozina Hoe?

  03 Novambra 2012

Lahatsoratra iray tanaty blaogy tamin'ny 2011 mikasika ny fampiasàna ny akondro amin'ny famoronana solika avy amin'ny zava-maniry no nanome aingam-panahy an'i Dane Gibson hametraka fanontaniana vitsivitsy mikasika ny sehatry ny angovo azo havaozina ao amin'ny firenena kelin'i Santa Lucia ao Karaiba