Tantara mikasika ny Fampandrosoana
Niara-nijoro tamin'ilay vehivavy mpikatroka ny fitsarana avo indrindra ao Kyrgyzstan ka mamela ny fampiasana ny anaran-dreny
Afa-manampy ny anarany avy amin'ny anaran-dreniny manomboka izao ny olona ao Kyrgyzstan.
Topimaso itodihana amin'ny fampiasana ny IA (HVO) ao Azia Andrefana sy Afrika Avaratra
Amin'ny ankapobeny, matetika mameIa hisian'ny fanarahamaso bebe kokoany fampiasana ny teknolojian'ny Haranitan-tsaina Voatr'Olombelona, ka mahatonga azy ho tena mampatahotra any amin'ireo fitondrana tsirefesimandidy.
Manome vahana vehivavy mpioty landihazo ao Pakistan ilay mpandala tontolo iainana nahazo loka
Noantsafain'ny Global Voices ny mpandala tontolo iainana Javed Hussain izay nandray ny ‘Lokan'ny vahaolana ara-toetrandro ara-drariny ho an'ny vehivavy’ noho ny asany hiaro ny zon'ny vehivavy mpioty landihazo ao Pakistan.
Arvin, Kalifôrnia: Very ny hoavy, lasa ny fanantenana, nihemotra ny fanomezan-toky
"Tsy niasa tao amin'ny toeram-pambolena intsony ny tompony. Hadinon'izy ireo ny tany, ny fofony, ny fahatsapany azy, ary tsy misy tsaroany afatsy ny fananany azy sy izay azony na veriny teo aminy sisa."
Vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ao Sri Lanka, mikarakara hetsika Pride (Fireharehàna) hitakiana ny fampitsaharana ny fanavakavahana
Nikarakara andiana hetsika Pride mavitrika sy manome herymba hiarovana ny fimirana sy hitakiana ny fampitsaharana ny fanavakavahana ny fiarahamonim-pirenena sy ireo mpikatroka LGBTQ+.
Wikipedia Punjabi 21 taona: Fankalazana ny lahatsoratra 50.000 ary miatrika ny hoavy
Nifarimbona ny vondrom-piarahamonina manontolo hanatontosa Iraka 50.000, antso hihetsehana hanatratra lahatsoratra 50.000, ho fankalazana ny faha-21 taonan'ny Wikipedia Punjabi.
Nomen'ny Fitsarana Tampony baiko ny fanjakana ao Nepal hampanara-dalàna ny fanambadian'ny samy lehilahy na ny samy vehivavy
Tamin'ny 2 Mey 2023, natao ho ara-dalàna tamin'ny baikon'ny Fitsarana Tampony tao Nepal ihany ny farany ny fanambadian'ny samy lahy na ny samy vavy taorian'ny fifandirana momba ilay lalàna nandritra ny taona maro.
Fampiasàna indray ireo tavoahangy sy tavoara plastika ao Burundi : mbola lavitra ny làlana
Na nisy lalàna voapetraka aza, mbola fanamby ho an'i Burindi ny famerenana mampiasa indray ireo tavoahangy plastika. Ankoatra izay, ny fandotoana ateraky ny plastika dia miafara amin'ireo tondradrano
Undertones: Tanàna cyberpunk any Zimbaboe notarihan'i Shina
Vonona hipetraka ho firenena voalohany ao Afrika manana renivohitra “marani-tsaina (smart)” naorina tamin'ny tsy misy i Zimbaboe. Saingy maro no manahy fa ho fanjakana anjakan'ny fanarahamaso izy
MIVANTANA amin'ny 23 marsa: Santatr'andraikitra Fehikibo sy Lalana an'i Shina—Tsingerina vaovao, sa fiovana tanteraka?
Miraisa dia aminay ao amin'ny YouTube Live amin'ny 23 marsa izao hiatrika fifanakalozan-kevitra amin'ny namolavolan'ireo toe-javatra nitranga vao haingana indray ny fomba fijery ao Shina sy aty amin'ny Ilabolantany Atsimo ankapobeny ny fitantarana momba ny Belt and Road Initiative (BRI) [Santatr'Andraikitra Fehikibo sy Lalana].