· Jolay, 2019

Tantara mikasika ny vondrom-piarahamonina tamin'ny Jolay, 2019

Ny zavatra maro ataon'i Gabriela García Calderón

Blaogim-Piarahamonina GV  12 Jolay 2019

Iray amin'ireo mpanoratra sy mpandika teny mavitrika indrindra ato amin'ny Global Voices i Gabriela García Calderón. Tia ny mamaky sy manoratra tantara momba ny fiainana andavanandron'ny olon-drehetra manerana an'izao tontolo izao ity mpisolovava ity.

Fanavaozam-baovao NewsFrames Global Voices

Blaogim-Piarahamonina GV  11 Jolay 2019

Manakaiky ny fanombohan'ny tetikasa NewsFrames isika. Hanasonia ny fifanarahana amin'ny Digital News Initiative an'ny Google isika amin'ity herinandro ity, ary hanambara ny asa voalohany mifandraika amin'ny tetikasa, dia ny talen'ny tetikasa.

Mary Aviles sy ny fomba hahombiazana amin'ny alàlan'ny fandrindrana ny asa sy ny fiainam-pianakaviana 

Blaogim-Piarahamonina GV  11 Jolay 2019

(Lahatsoratra tamin'ny volana Desambra 2014) Fantaro i Mary Avilés, ilay toniandahatsoratray aty Amerika Latina, toerana noraisiny tamin'ny volana Oktobra 2014. Mbola vaovao taminy ny Global Voices tamin'izany fotoana izany, saingy tao anatin'ny herinandro vitsy dia efa nahazatra azy ny tontolon'ny GV ary efa azo heverina ho anisan'ny vondrom-piarahamonintsika izy amin'izao...

Fandikan-teny: Inona no fitaovana ampiasainao?

Blaogim-Piarahamonina GV  05 Jolay 2019

Maro ireo fitaovana azon'ny mpandika teny ampiasaina amin'izao andro izao - ahoana no ahafahan'ny olona mahafantatra ireo fitaovana ireo, tsy lazaina intsony hoe inona no tokony hampiasainy? Inona no ampiasain'ny mpandika teny ankehitriny?