· Jona, 2019

Tantara mikasika ny vondrom-piarahamonina tamin'ny Jona, 2019

Translator Newsletter: Fampianarana, Lalao an-dahatsary sy maro hafa!

Blaogim-Piarahamonina GV  24 Jona 2019

Amin'ny maha-mpandika teny mahaleotena, zava-dehibe amin'ny fivelomana ny mahazo karama amin'ny asanao ara-potoana! Saingy matetika manahirana ny mitady mpanjifa maro sy fifanarahana isan-karazany. Alessandra Martelli, mpandika teny mipetraka any Turin, Italia, nametraka ity lisitra mahafinaritra ity izay ahitana toro-hevitra mikasika ny fomba hahazoanao karama ara-potoana amin'ny asa mafy ataonao.

Nilalao ihany koa izahay tany amin'ny Vovonana

Blaogim-Piarahamonina GV  21 Jona 2019

Niasa mafy izahay andro maromaro izao, tsy ampy torimaso izahay ary mbola reraky ny dia amin'ny fiaramanidina ny ankamaroanay (miova hasin'ora), saingy naha hafa kely azy ny fotoana fohy toy izao rehefa lasa toeram-pialalaovana tsy nomanina ny efitra fivoriana ary niverina toy ny ankizy indray izahay.