Tantara mikasika ny vondrom-piarahamonina tamin'ny Avrily, 2023
Fifidianana Birao FiPi GV 2023: Manolotra ireo solontenan'ny vondrom-piarahamonina GV vaovao!

Juke Carolina Bransiecq sy Subhashish Panigrahi no ho solontenantsika vaovao avy amin'ny volantera, ary Gabriela García Calderón no ho solontenantsika avy amin'ny mpiantoka asa.
Fifidianana solontenan'ny Volantera ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: Kandidà Khojasta Sameeye

"Amin'ny maha-mpikatroka media ahy efa ho 7 taona, afaka manolotra ho an’ny vondrom-piarahamonina GV ny traikefako amin'ny asa fanaovan-gazety, ny media ary ny serasera aho."
Fifidianana solontenan'ny Volantera ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: Ny kandidà Reda Harbi

"Ny laharam-pahamehan'ny GV amin'ny maha-fikambanana azy dia ny hampanakoako ny feon'ireo olona sy mponina any amin'ny faritra saro-dalana sy lavi-pifandraisana."
Fifidianana solontenan'ny Nanao Fifanarahana Arakasa ho ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: ny kandidà Mariam Abu Adas

"Mikasa ny hampiasa ny fitaovana rehetra eo am-pelatanako aho mba hifaneraserana sy hanohanana ny vondrom-piarahamonina, na amin'ny alàlan'ny media sosialy izany, na mailaka, na amin'ny alalan'ny voromailala mpitondra hafatra fahiny."
Fifidianana solontenan'ny Volantera ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: Ny kandidà Isela Xospa

"Tiako ny hanohana ny hetsika ataon'ny vondrom-piarahamonina amin'ny lalana hanamafisana azy ireo sy hahita fitaovana fanampiana sy fiaraha-miasa amin'ny alàlan'ny GV."
Fifidianana solontenan'ny Volantera ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: Ny kandidà Alex Esenler

"Te hanana hirika hifaneraserana amin'ny vondrom-piarahamonin'ny volantera an-tsitrapo ao amin'ny GV amin'ny fomba lalina kokoa aho... ary hitady fomba hampiasana ny fahaizako mba hahatonga ny GV ho toy ny vondrom-piarahamonina/fikambanana matanjaka sy tomady araka izay azo atao."
Fifidianana solontenan'ny Volantera ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: Ny kandidà Kevin Rennie

Ho an'ny kandidà ho solontenan'ny volantera izao, hitondra "fahafaham-po amin'ny fanomezam-peo ireo hevitra sy fomba fijery ary zava-niainana isan-karazany eo amintsika" ny fandraisan'i Kevin anjara eo amin'ny Biraon'ny FiPi
Fifidianana solontenan'ny Nanao Fifanarahana Arakasa ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: ny kandidà Gabriela García Calderón

Amin'izao fifaninanana ho solontenan'ny mpifanaraka arakasa izao, katsahin'i Gabriela ny "Ny ho afaka milaza izay ahiahy sy mahakasika ny volantera sy ny nifanaraka arakasa, satria samy efa nandalovako avokoa ireo toerana roa ireo."