· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Oktobra, 2012

Syria: Nogadraina Ilay Mpanao Sariitatra Satria Mitsikera An'i Assad

Nahazo sazy henjana ilay mpanao sariitatra Syriana sahy nampiseho ny toetran'i Bashar Al-Assad. Tamin'ny 25 Aogositra 2011, notaritaritina sy novonoinà telo lahy misaro-tava i Ali Ferzat, mpanao sariitatra malaza 60 taona, tapaka ny tanany tamin'izany. Akram Rslan, mpanao sariitatra iray hafa miasa ao amin'ny gazety Fedaa [ar] eo ambany fitantanan'ny governemanta. Nogadraina...

Misaona Ny Fiambohoan'ny Ray Mpanjaka Norodom Sihanouk i Kambodza

  24 Oktobra 2012

Misaona ny fiambohoan'ny mpanjaka Norodom Sihanouk izay nodimandry tamin'ny 17 Oktobra 2012 ny Kambojiana. Fantatra ho toy ny lehilahy be herim-po ao amin'ny fanjakan'i Kambodza  i Sihanouk noho ny asa vitany toy ny fitakiana milamina ny fahaleovantenan'ny firenena tamin'ny protektorà (fiarovana) Frantsay ny taona 1953, ny fanamboaran-dalana ao amin'ny firenena nandritra ny Sangkum Reastr Niyum, ny fandresena tamin'ny...

Taorian'ny Horohorontany, Nanangana Gazetim-Paritra Ny Olo-tsotra Ao Japana

  24 Oktobra 2012

Zara fa misy mahalala ny voka-dratsin'ny ‘Horohorontany lehibe tao Atsinanan'i Japan’ (fantatry ny iraisampirenena ho horohorontanin'i Japana 2011) tao Otsuchi, tanàna kely ao amin'ny prefektioran'i Iwate. Tsy dia fantatra izany noho ny fikatonan'ny gazety ao an-toerana tamin'ny taona 2011 noho ny fahasimbana nateraky ny horohorontany, tsunami sy ny afo. Ankehitriny, nahomby ny fanentanana...

Bangladesh: Mampanahy Amin'ny Fahampiana Ara-tSakafo Ny Fihenan'ny Fiankinan-doha Amin'ny Fambolena

  23 Oktobra 2012

Firenena mivelona amin'ny fambolena i Bangladesh. Marobe ireo mponina no miankina amin'ny fambolena ny fivelomany. Ankehitriny, 19.1%-n'ny PIB (Vokatra Ankapobe Anatiny) dia avy amin'ity sehatra ity . Navoakan'ny fanadihadiana farany teo [bn] fa miha-mijotso ny fiankinan-doha amin'ny fambolena sy ny voka-pambolena ao amin'ny firenena. Nihena ihany koa ny fampiasana olona eo amin'ny...

Hahomby Ao Singapore ve ny Fihaonambem-Pirenena?

  23 Oktobra 2012

Ao anatin'ny ezaka hampiditra ny Singaporeana amin'ny “fandaminana ny hoavin'ny firenena”, dia manatontosa fihaonambem-pirenena izay haharitra eo ho eo amin'ny herintaona eo hanangonana ny hevitry ny vahoaka ny governemanta. Hotarihin'ny Komitin'ny “Our Singapore” ny resadresaka amin'ny aterineto sy ny sehatra ifampiresahana hafa ary mandritra ny fihaonana isan-karazany. Manana habaka sy pejy Facebook ny “Our Singapore Conversation”  (Resadresatsika...

Libya: Tena Namoy ny Ainy Marina ve i Khamis Gaddafi ?

Namoy ny ainy ve i Khamis Gaddafi? Tena namoy ny ainy tokoa hono. Mbola mitohy ny fametraham-panontaniana tao anatin'izay herintaona katroka nirodànan'ny  fitondran'ny rainy mpanao didy jadona Muammar Al Gaddafi izay. Mpanao gazety Mary Fitzgerald nisioka hoe: @MaryFitzgeraldIT: Taorian'ny andron'ny vazivazy,  nanambara ny Kongresy nasionaly spox #Libya tao amin'ny fahitalavitra ao an-toerana fa...

India: Mitohy ny Fifandirana Manodidina ilay Toby Nokleary Kudankulam

  23 Oktobra 2012

Tao anatin'ny hetsi-panoherana (jereo ny lahatsoratra Global Voices) no nanombohan'ny tetikasa Angovo Atomika ao Koodankulam, ao Tirunelveli, distrikan'ny firenena Indiana Atsimo,Tamil Nadu tamin'ny volana lasa teo. Nanomboka namokatra herinaratra ny orinasa saingy miharatsy hatrany ny toe-draharaha satria mbola mitohy ny fisamborana olona ary mbola maro ireo mpanao fihetsiketsehana any am-ponja. Nanamarika ny antso ho amin'ny...