· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Oktobra, 2018

Shina: Fanadihadiana Twitter mikasika ny fialan'ny Google

  31 Oktobra 2018

Raha toa ka miandry ny fanapahan-kevitry ny Google mikasika ny hoavin'ny asany ao Shina ireo Sinoa mpampiasa Aterineto, nanomboka nanontany ireo mitovy aminy mikasika ny zavatra tokony hataon'ny Google ny mpampiasa aterineto iray ary inona no fiantraikan'izany raha toa ka manapa-kevitra ny hiala ilay orinasa.

Shina: Lasa Malaza Be Ny Pandaman vs. Christian “Batman” Bale

  31 Oktobra 2018

Nahatonga andian-tsary maneso maro ireo fifandirana vao haingana nisy teo amin'i Christian Bale sy ny polisin'ny filaminam-pirenena (antsoina koa hoe "Pandas") ary mifanojo amin'ny fanambarana hoe naverina am-ponja ny shinoa mpanohitra iray hafa, 20 volana taorian'ny ''namotsorana'' azy teo ambanin'ny fitsapana azy.

Tonizia: Fotoana Fisoratana Anarana Amin'ny Fifidianana Izao

Nanomboka ny 11 Jolay 2011 ny fisoratana anarana anatin'ny lisi-pifidianana tao Tonizia ary hikatona ny 2 Aogositra 2011. Kanefa asejon'ireo antontanisa ny fisalasalan'ny Toniziana hisoratra anatin'ny lisitra. Izany no nahatonga vondrona iray ahitàna Toniziana mpanoratra bilaogy nanangana hetsipanentanana anaty aterineto hampirisihana ny vahoaka hisoratra anarana anatin'ny lisi-pifidianana Antenimieran-dalàmpanorenana.