Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Mey, 2017
Ny TIC Ho Fampandrosoana Any Afrika Miteny Sy Mampiasa ny Teny Frantsay
Ankehitriny, tsy ilaina ny hanaporofoana hoe mandray anjara amin'ny fanatsaràna ny kalitaon'ny fanabeazana ao Afrika ny fampidirana ny TIC, fa ny famaritana ireo làlana sy fitaovana afaka mampaharitra ny fampiasàna ny TIC any an-tsekoly, any amin'ny sekoly rehera no ilaina.
Palestina: Atao Fitaovana i Gaza
Bilaogera nandao an'i Gaza vao haingana i Exiled (an-tsesintany) - ary tsy maika hiverina izy. Ho hitantsika ato ny heviny momba ny fampielezan-kevitra ara-politika sy ny fitiavan-tena, ny tonelina mankany Ejipta sy ny tetikasa fefy vy, ary ny toetry ny hiahian'ny tontolo any ivelany ny tetezan-tanin'i Gaza.
Tonizia: Ary Tratran'ny Sivana I Arabicca!
Nanapa-kevitra hanohy indray ny famahanana bilaogy tamin'ny herinandro lasa ilay bilaogera Toniziana Fatma Arabicca izay voasambotra roa volana lasa izay. Tonga ireo manampahefana nanakana ny lahatsoratra iray monja tao amin'ny bilaoginy vaovao . Naneho hevitra momba ny fandrarana sy ny fanasivanana ireo bilaogy hafa ihany koa ireo bilaogera Toniziana .
Pôrtô Rikô: Kolikoly Mameno Ny Departemantan'ny Polisy
Nisambotra olona 133 tao Pôrtô Rikô ny Birao Federaly mpanao Fanadihadiana (FBI), ka polisy ny 89 tamin'ireo, tao anatin'ilay antsoin'ny Departemantan'ny Fitsaràna Amerikana hoe "ny fanadihadiana goavana indrindra tamin'ny resaka kolikolin'ny polisy teo amin'ny tantaran'ny FBI".. Maneho hevitra ny tontolon'ny bilaogy.
Arabia Saodita: Mihidy Ho An'ireo Vehivavy Mpihazakazaka Ireo Làlana
Vao haingana izay, noraràna ny fidiran'ireo vehivavy mpihazakazaka ny làlana iray any amin'ny Faritanin'i Asir (Arabia Saodita), satria heverin'ny Vaomieran'ny Fampiroboroboana ny Fahamaotinana sy ny Fisorohana ny Havetavetana ho mampidi-doza. Manopy maso ny sasantsasany amin'ireo tsikeran'ny mpitoraka blaogy mikasika ity raharaha ity i Katharine Ganly.
Vietnam: Mitohy Ny Fitakiana Ny Rariny Herintaona Taorian'ilay Rano Voapozina Nahafaty Trondro Marobe
"tsy maintsy manaiky ny andraikitra feno ny Formosa ary manao ireo ezaka ilaina amin'ny famerenana ny tontolo iainana madio ho an'ny firenentsika, ny vahoakantsika ary i Vietnam Afovoany mialohan'ny fandaozany an'i Vietnam."
Midira Ho isan'ireo Hamolavola Ny Hoavin'ny GV— Manorata anarana Anatinà Vondrona ”Hetsika” na ”Hevitra”!
Mandraisa anjara anatin'ireo vondrona ''hetsika'' na ''hevitra'' kely mba hiasàna, hijerena ary hamelabelarana ireo olana sy fanontaniana mivalapatra kokoa mikasika ireo fiasa amin'izao fotoana izao na ny fitondrana ny Global Voices amin'ny hoavy.
Etiopiana Mpanohitra, Nohelohina Enina Taona Am-ponja Noho Ny Lahatsoratra Nalefany Facebook
Mpanohitra tsy mena-maso niteny tamin'ireo valinkafatra feno herisetra nataon'ny governemanta tamin'ny hetsi-panoherana malaza ity mpikatroka vao 30 taona ity. Ary tsy irery izy.
Tsy Fitoviana Manerantany Ao Am-paosinao : Ny Fomba Amelàn'ny Finday Avolenta Mora Vidy Sy Ny Politika Baranahiny Antsika Harefo Eo Anatrehan'Ny Fijirihana
Ireo olona izay mahantra, alikiliky ny fiarahamonina, ary tsy havanana amin'ny teknolojia no mizàka ny olana lehibe indrindra amin'izay mety ho fanafihana amin'ny alalan'ny finday.
Avy amin'ny Tontolon'ny Blaogy Jordaniana
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2005) ”Fihaonamben'ny Jordan Planet Voalohany tao Amerika Avaratra” avy amin'i Jameed ”Fihaonan'ny Jordaniana Mpitoraka blaogy Tamin'ny Novambra” avy amin'i Roba Al-Assi Koa satria efapolo isan-jaton'ireo Jordaniana mpitoraka blaogy no tsy monina ao Jordania, dia mitranga matetika maneran-tany ireo fihaonana. Mitatitra avy amin'ny Fihaonamben'ny Jordan Planet Voalohany ao Amerika...