Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Febroary, 2017
Tonga Ao Pôrtô Rikô i Oscar López Rivera Saingy Mbola Migadra Amin'ny Trano Ambenana Manokana Mandra-pahavita ny Saziny
Hifarana amin'ny 17 Mey ny saziny.
Niteraka Fanehoan-kevitra Isan-karazany Ny Fitsidihan'i Benjamin Netanyahu Tao Aostralia
"Ny politikan'i Netanyahu dia mikendry hatrany ny hihantsy, hampitahotra sy hampijaly ny vahoaka Palestiniana, izay mampitombo ny tsy fifandanjam-pahefana, ary tsy azo ihodivirana fa mitondra an'i Israely ho lavitry ny fandriampahalemana kokoa..."
Nihemotra Haingana ny Fanentanana #DabChallenge Nataon'ny Filoha Kenyana Rehefa Namorona ny #DabOfShame Ireo Mpitsikera
"Mijaly amin'ny haintany ireo Keniana ary ny dab #DabOfShame [Dabn'nyHenatra] no zavatra hany takiantsika."
Manome Feo Ho An'Ireo Olona Nanjavona Any Meksika I Facebook
Manery ireo fianakaviana hampiasa ny fitaovana rehetra misy ny famoizam-po tsapan'izy ireo. Manamafy ny fikarohana amin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy sy ireo sehatra nomerika hafa izy ireo .
Lahatsary Fanadihadiana Fohy Iray Mizaha Ny Kolontsaina Kamiao Kanto Mamirapiratra ao Japana
Fantatra amin'ny anarana dekotora (デコトラ, fanafohezana ny ''kamiaon'ny ravaka''), voaravaka jiro manjelanjelatra sy loko peta-drindrina ary Chrome be dia be ireo kamiao Japoney.
Amin'izao Fotoanan'ny Korontana Izao, Mandrava Sisintany sy Rindrina ny Mozika
Mitsambikina sisintany ny mozika ary mandrava rindrina.
Mampametra-panontaniana ny Maha-Ara-dalàna ny OTAN
Tsy milamina intsony ny OTAN (Fikambanan'ny Fifanarahan'ny Atlantika Avaratra). Notsikerain'i Donald Trump mafy andro vitsy monja mialoha ny fanokanana azy tao amin'ny Trano Fotsy.
Mitaky Ny Hanesorana Ny Sary Sokitra Eo Alohan'ny Fitsarana Tampony Ao Bangladesh Ireo Vondrona Islamista
Latsaky ny herinandro no ananan'ireo manampahefana mba hamaliana ny fangatahana izay lazain'ireo mpiasam-panjakana ambony sy ny mpampiasa tambajotra sosialy ho toy ny adaladala.
Fampielezankevitra Miresaka ‘Fianjerana Fiaramanidina’, Miteraka Adihevitra be Momba Ny Fifidianana Filoham-pirenena Serba
''Tsy mbola nisy olona tao anatin'ny tantara politika nanao [doka fampielezankevitra] mampiseho fa vonona ny hitondra ny vahoaka amin'ny fahafatesan'izy ireo izy raha toa ka tsy manatanteraka ny baikony ry zareo.''
Anisan'Ireo Endrika Sary Sokitra Vita Amin'ny Ranomandry Nasongadina Tao Amin'ny Fetiben'ny Ranomandry Ao Sapporo I Trump Sy Ny Pen-Pineapple-Apple-Pen
Olona roa tapitrisa raha kely indrindra no mitsidika ny fetibe isan-taona, mba haka sary ho alefa ao amin'ny media sosialy.