Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Aogositra, 2016
Porto Riko: Ny Dikan'ny Medaly Volamena Olaimpika Azon'i Monica Puig
"Mihevitra aho fa nampiray firenena iray."
Misokatra Tarihin'ny Shaman Ho Amin'ny Fizahantany Ara-Tontolo Iainana Indray Ny Tendrombohitra Avo Indrindra Ao Brezila
Hosokafana indray ny làlana mankany amin'ny tendrombohitra avo indrindra ao Brezila amin'ny 2018 rehefa nakatona ho an'ny mpizaha tany nanomboka tamin'ny 2003 ary hokarakarain'ireo olona tompontany manokana.
Aiza No Misy Fety? Miketrika Ny Ho an'izany ireo Trinidadiana Mpamorona Fampiasa!
Ny fitiavana milanona no nandrisika tanora Trinidadiana roa mpamokatra rindrambaiko sady mpandraharaha hanefy ny bikan'ny fampiasa iray izay manamora ny fahitàn'ireo mpitia fety tsirairay ny toerana tokony halehan'izy ireo.
Nandray An-tanana Ny Olan'ny Governemanta Ao An-toerana Momba Ny Fisotroan-dronono Ny Mpanao Gazety Olom-pirenena Iray ao India Ka Nandresy
"I know how important are a few hundred rupees in an impoverished person’s life. It means food, medicine and security." "Fantatro fa zava-dehibe ny ropia an-jatony vitsivitsy amin'ny fiainan'ny olona mahantra. Midika sakafo, fanafody ary filaminana izany."
Naato Tao Anatin'ny Fifidianana Mampiadi-hevitra Ny Fahilavitra Tsy Miankina Iray sy Radion'ny Fiarahamonina Iray Ao Zambia
"Manjary miha lasa efi-pitsarana miandalana i Zambia. Tokony ho mailo avokoa isika rehetra rehefa miteny momba ny olan'ny tombontsoam-pirenena."
Vadi-na Sendikalista Maty Enjika Miakatra Fitsarana Noho Ny Lahatsoratra Tao Amin'ny Facebook
Voampanga ho nandefa vontoaty "manevateva" tao amin'ny Facebook ny vadin'ilay mpikatroka arakasa malaza na dia tsy manana kaonty ao amin'ny habaka media sosialy aza izy.
Asehon'Ireto Lahatsary Ireto ny Fahalotoana sy ny Faharavana Ateraky ny Fitrandrahana Goavana ny Harena An-kibon'ny Tany ao Filipina
Mampiasa finday ary tonga hatramin'ny fampiasana tantelimby (drone) ireo mpanangom-baovao sy mpanao gazety fanadihadiana hampisehoana ny fandravana ateraky ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany amin'ireo riandrano sy ony ao amin'ny firenena.
Horohorontany Nandrava Tempoly Tranainy Maherin'ny 200 Tao Myanmar
Malaza indrindra manoatra noho ny Angkor Wat anyi Kambodza sy ny Borobudur ao Indonezia ireo tempoly tranainy ao Bagan
Esory Any Ry Marvel Sy DC, Rankizy: Vao Nividy Tantara An-tsary Fitiavan-Tanindrazana Mampihomehy Iray Ho Anareo i Rosia
Ireo "fotokevitra telo lehibe" amin'ilay tantara an-tsary dia ny famoronana ireo safidy hasolo an'ireo mahery fon'ny vahiny, fampitomboana ny fisarihana ireo tanora mba ho lasa mavitrika amin'ny fanatanjahantena, ary hampiakatra ambony ireo fahalalana fototra momba ny raharaha miaramila.
Anjerimanontolo Amerikàna Ao Afganistana Ahiana Ho Fahirano Tamin'ny Fanafihana Nataon'ny Mpitolona
Farahfahakeliny, mpianatra iray no maty nandritra ilay herisetra.