Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Oktobra, 2015
Voafonja Noho Ny Rangodrangotra Manaratsy Mpanjaka, Mahazo Tohana Ety Amin'ny Media Sosialy Ilay Thai Mpiangaly Mozika
Opas C, Thai 68 taona, manefa sazy an-tranomaizina mandritry ny telo taona noho ny nanoratany rangodrangotra manaratsy ny fitondràm-panjaka tany anaty trano fidiovan'ny toeram-pivarotana lehibe iray .
Toy Ny Hoe Ranomandry, Nefa Dia Poizina Be ity Roatra Eo Ambonin'ny Farihy Bangalore ity
Ao amin'ny farihy antsoina hoe Bellandur no tena miforona ireo roatra ao Bangalore, India, farihy izay hatry ny ela no efa ivarinan'ireo rano maloto sy loto simika tsy nisy fikarakaràna sahaza akory.
Tantaran-Jazavavy Etiôpiana Nanohitra Ny Fakàna An-keriny, Sy Ny An'ireo Mpisolovava Nanavotra Ny Fiainany
Midika hoe "fahasahiana" ny "Difret" amin'ny fiteny Amharic. Sarimihetsika iray mitondra io anarana io no mitantara ny tantaran-jazavavy Etiôpiana iray izay nalainà lehilahy an-keriny mba hoterena hanaraka ny "fanambadiana" araka ny fomban-drazana.
‘Nilaza tantara mivelatra kokoa amin'ny firenenay ny nanagadrana anay': Eritreritra avy amin'ireo bilaogeran'ny Zone9 ao Ethiopia
"Ho an'ireo nanagadra anay izay nanome anay ireny fitsapana ireny, na tsy mangataka famelan-keloka aminay aza ianareo, indreto izahay."
Niteraka Tanàna Haolo ao Meksika Ny Varotra Rongony sy Ny Ady Amin'ny Fikambanan-jiolahy
Nahatonga ireo olona marobe voatery nifindra monina nandao ny tanindrazan'izy ireo ny fikambanan-jiolahy tao Meksika sy ny herisetra tamin'izany, ka lasa "tanàna haolo" ankehitriny ny toerana.
Horohorontany Mahafaty Nanana Hery 7.5 Nampihovitra An'i Azia Atsimo
Manodidina ny 180 ireo olona notaterina hoe maty tany amin'ny faritra.
Marlon James Mahatonga An'i Jamaika Ho Afaka Mirehareha Noho Ny Nahazoany Ny Loka Man Booker Ho An'ny Tantara Foronina
Bob Marley. Ny CIA . Politika. Adin'ny samy jiolahy. Inona no tsy misy ho tiana? Nihevitra izany ny mpitsara ny Man Booker Prize; nanonona an'ilay Jamaikana Marlon James ho nahazo ny loka amin'ity taona ity izy ireo.
Mahatonga fanontaniana maro ao Bangladesh ny fanafihana tamin'ny baomba ny fivorian'ny Shiita tao Dhaka
Voatatitra fa nilaza tena ho tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana tamin'ny alalan'ny baomba tao Hussaini Dalan, izay nahafatesana olona iray sy naharatrana olona maherin'ny enimpolo ny Fanjakana Islamika.
Kanadiana aloha: Mpifindramonina Somali iray nahazo toerana tao amin'ny Parlemanta
Mpifindramonina tafiditra ao amin'ny vohitry ny Parlemanta: Ahmed Hussen no Kanadiana voalohany manana fiaviana Somali tafiditra ao amin'ny Parlemantan'i Canada.
Toe-javatra Manjavozavo Manodidina Ny Kabary Momba ny Zava-kanto Nataon'ny Filohan'i Shina, Xi
"Nilaza ny marina i Wang Shiwei ary novonoina. Ka lasa nironana ny filazana lainga. Ankehitriny, soloin'ny lainga toerana ny zavatra hafa rehetra."