· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Jolay, 2012

Repoblika Demaokratikan'i Congo : Voampanga Any Avaratr'i Kivu i Rwanda

  26 Jolay 2012

Hatramin'ny volana Aprly, ny M23, ivondronan'ireo mpiady tranainy tao amin'ny mpihoko tutsi Kongoley avy amin'ny Congrès national pour la défense du peuple CNDP dia manakorontana ny faritany Avaratr'i Kivu any Atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo. Ankoatry ny zavatra hafa dia takian'ireny miaramila ireny ny hanajàna ny fifanarahana tamin'ny 2009 izay, araka ny hevitr'izy ireo, dia tsy hajain'ny governemanta kongoley Mihevitra ny sasany fa tsy noho ny tsy fanajàna ireny fifanarahana ireny ihany no anton'ireny fitsoahana an-daharana ireny fa misy ihany koa finiavana hizarazara ny firenena. Mitohy miteraka fahafatesan'olona marobe sy fifindra-monina faoben'ny vahoka ny hetsika M23.

Kolombià: #Yodigoaquiestoy, Fitaovana Hanoherana Ny Fampiasana Ankizy

  26 Jolay 2012

[Avy ao amin’ny teny Espaniola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana] Tsy  vaovao ny olana amin’ny fampiasana ankizy ao Amerika Latina. Tamin’ny taona 2009, namoaka andian-dahatsoratra momba ny fampiasana ankizy eny amin’ny faritra izahay tato amin’ny Global Voices; vao haingana tamin’ny taona 2011, nikaro-bahaolana ho an’ireo ankizy mpiasa tao...

Azia Atsimo: Fihaonam-be Voalohany Momba Ny Media Sosialy i Pakistana Sy i India

  26 Jolay 2012

Mafana tanteraka ny  andron’ny Zoma sy Asabotsy  tao Karachi nandritra ny fihaonam-be Pakistana-India SOCMM12. Nanomboka tamin'ny 9:30 maraina ary nitohy hatramin'ny 5:00 hariva ny fandahara-potoana, nisy ny adiny iray natokana amin'ny fanalàna hetaheta sy ny vavaka, niady hevitra, nifanakalo hevitra ary nandray lesona tamin'ireo mpandrindra ny adihevitra ny mpandray anjara....

Bahrain: Lehilahy Antitra Nosamborin'ny Polisy Satria “Niaro Ireo Vehivavy”

Tsy ilaozan'ny fisamborana ihany koa ny olona antitra mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana “tsy nahazoan-dalana” tao Bahrain, fihetsiketsehana tokony hofaizin'ny fanjakana. Araka ny nambaran'ny mpiserasera, lahy antitra roa no voasambotra noho ny “fiarovany ireo vehivavy saiky nosamborin'ny polisy” tao an-tanànan'i Karzakan. Mpanao gazety mpakasary Mazen Mahdi, nitaraina momba ilay fisamborana. Hoy...

Arabia Saodita: Khaled Al Johani, Mpanao Hetsi-Panoherana Mandeha Irery, Navotsotra Vonjimaika

Fony nisy ny antso hanaovana Androm-Pahatezerana iray tao Arabia Saodita tany amin'ny 11 Martsa 2011 tany, dia azo nisaina tamin'ny rantsan-tànana ireo mpanao hetsi-panoherana sahy niatrika ny polisy marobe. i Khaled Al Johani no hany iray tamin'ireo voarakitra tanaty horonana sy nosamborina avy eo. Maneho hevitra momba ny famotsorana an'i Al Johani mandritra ny 48 ora ireo mpampiasa aterineto.