· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Avrily, 2012

Panama: Mahantra Saingy Tsy Adino Noho Ny Lahatsary Aty Anaty Aterineto

  27 Avrily 2012

Iray tamin'ireo tobim-pamaharan'ny Sambo mpisitrika Amerikana tany amin'ny faritry ny Lakandranon'i Panama i Coco Solo, akaikin'i Colón, Panama. Amin'izao fotoana, Coco Solo no tanindrazan'ny sasany amin'ireo mahantra indrindra, ny ankamaroan'ireo Panameana natao an-jorom-bala. Ireo lahatsary anaty aterineto no mba antontan-kevitra vitsy mampiseho ny fiainana ao anatin'ity vondrom-piarahamonina ity.

Ekoatera: Vehivavy Sy Ankizivavy Mpitsoa-ponenana Mitodika Amin'ny Asa Fivarotan-tena

  27 Avrily 2012

Ny Hetsika fanadihadiana an-dahatsarin'ny VJ mitondra ny lohateny hoe Mpitsoa-ponenana mitodika amin'ny asa Fivarotan-tena ao Ekoatora dia mijery ny zavatra iainan'ireo vehivavy Kolombiana maro tsy maintsy niampita sisintany ka nifindra monina any Ekoatora noho ny herisetra. Aminà tranga maro, noho ny tsy fahafahany mahazo asa ara-dalàna, mba hahafahana mivelona dia mitodika amin'ny asa fivarotan-tena ireo vehivavy maro sy ny zanany vavy.

Italia: Mankalaza Ny Faha-2765 Taonany i Rôma

  26 Avrily 2012

Rôma, ilay Tanàna Maharitra Mandrakizay, izay lasa tena nisy ny anganongano. Rôma, izay ahitana zava-baovao hatrany hojerena. Tanàna (tsotra) i Rôma talohan'ny naha-Fiketrahana Masina (Saint-Siège) azy, vao lasa Repoblika ary ampira avy eo. “Tanàna nanana ny lanjany ara-politika, nanankarena, ary lehibe indrindra teo amin'ny tontolo tandrefana” i Rôma nandritra ny ho efa fitonjato...

Paragoay: Atrikasan'ny Mediam-bahoaka Miaraka Amin'ireo Vondrom-piarahamonina Aché

Rising Voices  26 Avrily 2012

Tsy ho ela dia hizotra ireo hetsika voalohan'ny sokajin'ireo tetikasan'ny Rising Voices 2012. Tsy ho ela dia hanomboka ireo hetsika voalohan'ny sokajin'ireo tetikasa tohanan'ny Rising Voices 2012. Any Paragoay, nanambara ny tetikasa Ache djawu/palabra Aché (Ny Tontolo Aché) tao amin'ny bilaogin'ny tetikasany [es] fa novolavolaina ho tontosaina ny 28 Aprily ny atrikasan'izy ireo voalohany [es] miaraka amin'ny fisafidianana tanora fito mpitarika avy amin'ireo vondrom-piarahamonina Aché enina handray anjara anatinà atrikasa any Asunción ho fanamafisana ny mediam-bahoaka .

Brezila : Mafàna Fo Nanao Hetsika Hanoherana Ny Fahatsiarovana Ny Jadona Miaramila

  25 Avrily 2012

Tanatin'ny andro vitsy monja, fihetsiketsehana maro mifandraika amin'ny jadona miaramila breziliana (1964-1985) no nitranga, na izany teny anivon'ny aterineto na teny ivelany, tamin'ny lafintany efatry ny firenena. Nanapa-kevitra ireo mafàna fo ny hanao fihetsiketsehana hanehoana mazava ny fihetseham-pon-dry zareo amin'ny ilàna famaizana ireo mpanao heloka bevavan'ny omaly sy hanokafana tanteraka ny tahirin'antontan-taratasy izay mbola tànana ho tsiambaratelo hatrany.

Sina: Fanandramana Ny “Fanapahana Vonjimaika” ny World Wide Web?

GV Mpisolovava  25 Avrily 2012

Nanjary "intranet" ny aterineton'i Sina nandritra ny adiny roa teo ho eo ny 12 Aprily. Tsy afaka niditra tamin'ny World Wide Web (WWW) ny mpampiasa aterineto rehetra tany Sina ka tsy afaka nifandray tamin'ireo vohikalan-tambajotra sosialy sy mailaka rehetra tany ivelany. Mino ireo mpampiasa aterineto fa fanandramana ny sivana aterineto ho an'ny "Fanapahana vonjimaika".