Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Marsa, 2022
Japàna miatrika ny olan'ny “Mega Solar”
Lazain'ireo mponina sasany mipetraka eny akaikiny hoe manimba ny tontolo iainana sy zara raha mitondra tombony ho an'ireo vondrompiarahamonina manodidina azy ireny "toerana goavambe fakàna angovo amin'ny masoandro" ireny.
Torkia: Manamarika ny Andron'ny Mpitsabo amin'ny fitokonana ny mpiasan'ny fahasalamana
Ho fanamarihana ity andro ity, nilaza ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny firenena fa hanao fitokonana mandritra ny roa andro manomboka ny 14 marsa izy ireo na dia eo aza ny fampitandremana mialoha avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana manoloana ny fihetsiketsehana.
Tatitra avy eny an-kianja ataon'ireo Indôneziàna avy ao Okraina tratry ny fananiham-bohitra rosiàna
Tsy mbola manana drafitra horaisina avy hatrany hampitsaharana ny asan'ny masoivohony ao Kiev ny governemanta indôneziàna
Ahoana ny fomba fahitan'ireo ‘Myanmar roa’ ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina
"Taratry ny fizarazaran'ny sata ara-politika sy ara-diplaomatika ao Myanmar ireo fomba roa samihafa ireo."
‘Fiovàna lehibe ny fifankatiavan'ny samy vehivavy,’ hoy ilay Meksikàna feminista
Eny antsefantsefan'ny firaisankna, ny fandrahonana sy ny fahamailoana, tohizan'i 'Hormiguita' ny fanampiany ireo vehivavy.
‘Mbola henoko ny feon'izy ireo': Vehivavy telo niasa ho an'ireo marefo indrindra tao Jamaika
Manome voninahitra ireo vehivavy telo izay nitsangana hiaro ny zon'ireo vehivavy namana sy ireo olona marefo hafa, na tao Jamaika na manerana an'i Karaiba.
Bangkok sa Krung Thep Maha Nakhon: Iza no tena anaran'ny renivohitr'i Thailandy?
"Mila takatr'ireo manampahefana fa izany hoe renivohitra izany dia tsy mijanona ho amin'ny teny sy fanoratra fotsiny...Raha manapaka hevitra ny hanova izany ireo manampahefana, voalohany indrindra dia tokony naka ny hevitry ny vahoaka ry zareo ary nanontany talohan'ny nandraisana fanapahankevitra."
Francia Márquez: Ilay mpitarika Afro-Kolombiana miha-mahazo vahana hahazo ny toeran'ny filoha
Na dia eo aza ny fandrahonana ho faty dia eo am-panoratana toko vaovao amin'ny tantaran'ny fireneny ity mpitarika Afro-Kolombiana ity
Hira maneho ny feon'ny vahoaka voarara any Nizeria sy Ogandà
Niafara tamin'ny fanasaziana sy/na fandrarana azy ireo tanteraka Ireo hiran'ny tarika sy mpitendry mozika malaza voarara ireo, na dia neken'ny manampahefana tamin'ny voalohany aza.
Iza avy ireo atleta afrikàna mifaninana amin'ny Lalao Olaimpikan'ny Andro Ririnina ao Pékin 2022 ?
Na ohatra aza ka zara fa manana ranomandry, na tsy manana mihitsy, ny ankamaroan'ireo firenena ao amin'ny tanibe afrikàna, mametraka tontolo iray manasarotra ny fanomanana ireo Lalao Olampikan'ny Andro Ririnina, natrehan'ireo atleta afrikàna ny fanamby