Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Desambra, 2021
Nohamafisin'ny governemanta amerikana ny fanaovana ankivy ara-diplaomatika ny Lalao Olaimpika Ririnina 2022 any Beijing
Nanambara ny fanaovana ankivy ara-diplaomatika ny Lalao Olaimpika Ririnina 2022 any Beijing ny governemanta amerikana, nilaza ny ahiahiny momba ny “fanitsakitsahana goavana ny zon'olombelona sy ny habibiana mahatsiravina ao Xinjiang.” Firenena maro no mety hanara-dia izany.
Tsy raharahaina, tsy ilaina, tsy omena famelàna
Rehefa 8 Novambra, Andro Fankalazana ny Fandresena, andro fialantsasatra vaovao napetraky ny firenena hankalazàna ny fandresen'i Azerbaijana tamin'ilay Ady Faharaoa tao Nagorno-Karabakh, azo sary niravoravo ireo andian'olona tao afovoan'i Baku, nohorakoraka no sady nandoro saina Armeniàna.
Nahariharin'ny Andron'ny seza foana ny manjò ireo mpanao gazety okrainiana nogadraina
Ny nifantohan'ny hetsika Empty Chair [seza foana] tamin'ity taona ity dia i Vladyslav Yesypenko, mpanao gazety mahaleotena notanana am-ponja tsy ara-dalàna tamin'ny fiampangana fitsikilovana noho ny tatitra momba ny zava-misy iainan'i Krimea fehezin'i Rosia.
Nakaton'ny fampanoavana Tiorka ny raharaham-pahafatesan'ilay mpikatroka Azerbaijaney, Bayram Mammadov
Enimbolana taorian'ny nahitan'ireo mpiambina morontsika Tiorka ny vatana mangatsiaka an'ilay mpikatroka Azerbaijaney, Bayram Mammadov tao Istanbul, namoaka ny valin'ny fandidiam-paty farany ny biraon'ny lehiben'ny fampanovana Tiorka
Fiovana ao amin'ny birao filankevi-pitantanan'ny Global Voices
Nanatevin-daharana ny birao filankevi-pitantanan'ny Global Voices i Akwe Amosu rehefa lasa i James Deane, ary i Mary Kay Magistad no nitantana ny andraikitry ny filohan'ny filankevi-pitantanana.
Songadina Global Voices Novambra 2021
Tamin'ny volana Novambra, nandray mpikambana vaovaon'ny birao ny GV, raha nivahiny tamina hetsika virtoaly maromaro kosa ireo mpikambana GV hafa.
Nambara ho Andro Manerantany ho an'ny teny Kiswahili ny 7 Jolay; Tetikasa vaovao iray mikasa hahatakatra tsara kokoa ny karazan-tenim-paritra Swahili
"Ny antenainay koa dia ny hankalazana ny teny Swahili ao anatin'ny fahasarotany — amin'ireo karazany sy fitenim-paritra maro, amin'ireo vondrona mpiteny Swahili..." – Ny ekipan'ny Tetikasa
Didian'ny Fitsarana Iraisampirenena hanao izay tsy hisian'ny fankahalàna ara-poko i Armenia sy Azerbaijàna
Nodidian'ny fitsarana avo ao amin'ny Firenena Mikambana, ny Fitsaràna Iraisampirenena (CIJ), i Armenia sy Azerbaijàna, mba hiasa “ho fisorohana ny fihantsiana sy fampiroboroboana ny fankahalàna foko” taorian'ilay ady naharitra 44 andro tamin'ny taona lasa.
Hazakazaka arahin-tosika ny fihenan-tsandan'ny Lira Tiorka
Ampirisihan'ny vondron'orinasa lehibe indrindra ao Torkia ny governemantan'i Erdoğan "hiverina any amin'ny fitsipiky ny hay toekarena."
Miatrika vesatra kolikoly ny filohan'i Armenia teo aloha Serzh Sargsyan
Lazain'ny mpisolovavan'ity filoha teo aloha ity ho fiezahana hanodina ny fifantohana amin'izao krizy ara-politika sy ara-miaramila misy eo amin'i Armenia sy Azerbaijan izao ity fioampangana ny filoha teo aloha ho nanao kolikoly ity.