Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Aogositra, 2021
Ny ratsy ateraky ny sivana mahazatra
Sarina mpanao hetsipanoherana am-pilaminana, tsy mifanaraka amin'ilay fitantaràna izay manohy mandoko ireo mpanao hetsipanoherana ho olona mahery setra, tsy misaina, entin'ny fo.
Ny nahatonga ny toeram-pilomanosana iray ho marika amantarana ny fiovan'ny toetrandro sy ny kolikoly ao Pôrtô Rikô
Lazain'ireo mpitsikera ny dobo filomanosana iray rava nandritra ny tafiotra mahery Maria tamin'ny 2017 fa ho averina haorina indray izy io, na mifanipaka amin'ny fepetra mifehy ny ara-tontolo iainana ao Pôrtô Rikô aza.
Inona no diso amin'ny fampitahana ara-politika an'i Taiwan amin'i Afghanistan?
Taorian'ny fialan'ny tafik'i Etazonia tao Afghanistan, nihazakazaka an-jotra ny Shinoa mpaneho hevitra hanoritsoritra ny fampitahana eo amin'i Taiwan sy i Kabul ao amin'ny media sosialy sy nanontany raha mpiara-dia azo ianteherana i Etazonia.
Koety: niteraka tabataba ny fampianarana dihin'ny kibo tao amin'ny toerana iray fanatanjahantena ho an'ny vehivavy, nitondra hatramin'ny firotsahana an-tsehatry ny governemanta
Nampisafoaka ireo mponina fatra-pifikitra amn'ny nentindrazana sy ireo foko ao an-toerana ilay toerana fanaovana fanatanjahantena, ao amin'ny tanàna avaratra ao Al-Jahra. Ho azy ireo dia manitsakitsaka ny soatoaviny sy ny fombandrazany ireo kilasy fampianarana dihin'ny kibo.
‘Mitaky fahafahana 100 isanjato aho’ — Nandao an'i Hong Kong honina any Taiwan ny artista ara-politika iray noho ny famoretana
Notadiavin'i Wong ny hanosehana ny fetran'ny zavakanto ho fomba hananan-kevitra hafa eny an-dalambe ary nanaraka tsy tapaka ny hetsika fanohanana demaokrasia 1 jolay izy
LIVE amin'ny 25 Aogositra (amin'ny teny espaniola): Ahoana ny nampielezan'ny COVID-19 ny hetsi-panoherana any Cuba, Guatemala ary Colombia
Hatrany Cuba ka hatrany Colombia sy Guatemala—firenena samy manana ny toe-draharaha politikany—nidina an-dalambe tao ho ao ny vahoaka mitaky fiovana. Inona ny zavatra iraisan'ireo firenena ireo?
Pakistan: Fangatahana fandraràna ilay diabe malaza ataon'ny vehivavy entina manampim-bava ny feminista
Nandrisika ny vehivavy hanao fihetsiketsehana manerana an'i Pakistan mba hanairana ny saina momba ny olan'ny vehivavy ny Diabe Aurat. Tamin'ny taona (2020), nisedra fandrarana noho ny fangatahana fa "manohitra ny Islamo" ity hetsika ity.
Nanatevin-daharana ny Global Voices ho talen'ny Advox i Nanjala Nyabola
Amin'ny maha talen'ny tetikasa Advox azy dia hitarika ny tatitra momba ny matoandahatsoratra, ny fikarohana, ny fikatrohana ary ny fisoloana vava amin'ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera sy ny zo nomerika i Nanjala.
Nopetahan'ny fitsarana Belarus ho “extremiste” ny seha-mpampitam-baovao mahaleotena Tut.by, Zerkalo.io
Ny didy dia mihatra amin'ny singam-botoaty tsirairay ao amin'ny tranonkala, sy ny votoaty rehetra naranty tao amin'ny fantsona media sosialiny.
Tsy azo itokiana ve? Mitombo ny fanelezana vaovao diso momba ny COVID-19 ary ny fifidianana ao Amerika Latina sy Karaiba
Mifangarika amin'ny fitobahan'ny vaovao diso sy ny fanelezana tsaho mandifotra ilay faritra ny tsy fahampian'ny torohay azo itokiana momba ireo olana saropady, tafiditra amin'izany ny ady atao amin'ny COVID-19.