Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Jona, 2021
Mizotra mankany amin'ny fandraràna an'ilay antoko politika mpomba ny Kiorda i Tiorkia
Ny lehiben'ny fampanoavana ao amin'ny Fitsarana Avo Mpandrava Didy ao Tiorkia no nametraka ilay fitoriana misy pejy 843 tamin'ny Martsa 2021, niampangany ny antoko ho miaraka miasa amin'ny Antokon'ny Mpiasa Kiordistàna, ilay vondrona mpihoko voararan'ny lalàna
Emirati iray mpiaro zon'olombelona, maty tampoka saingy namela lova
Ireo izay nahafantatra an'i Alla dia nalahelo mafy noho ny famoizana olona iray feno fahasahiana miaro ny zon'olombelona, izay niatrika ireo tsy rariny ataon'ny UAE amin'ireo olom-pirenena fatra-panaja lalàna ao aminy sy any an-kafa.
Fihazana foza: Enjehina ny mpanao kolikoly politika any Angola
Tsy mino ireo Angoley fa hifarana ny kolikoly ao amin'ny fireneny na dia eo aza ireo fandroahana sy fisamborana ireo,
Mikisaka koa ireo elefanta dia ao Nepal
Tamin'ity taona ity, angamba noho ny hetsiky ny olona tsy dia nisy loatra vokatr'ireo fepetra nandritra ny COVID-19, nikisaka tamin'ny làlany isantaona rehefa mifindra monina ireo elefanta avy any India mankany Nepal ka tonga dia nandeha nanitsy teo am-bohitra.
Feo any Angola sy Brezila manohana an'i Paortiogaly amin'ny Euro
Manohana an'i Portiogaly ho mpandresy ny hira noforonin'ilay mpiangaly mozika David Carreira niaraka tamin'ireo Breziliana Ludmilla sy Giulia Be ary ilay Angoley Preto Show.
Trinité : Toherin'ireo mponina ny fitrandrahana an'ilay toerana ao amin'ny sahandriaka sisa tsy voakitika ao amin'ny faritra
Tsy zakan'ireo mponina intsony ny fiantraikan'ny fandotoana rano aterak'ireo fitrandrahana. Ezahan'izy ireo ny manakana famoronana toeram-pitrandrahana vaovao mba hiarovana ny tontolo iainana.
Nantsoina ho fanaovana hazalambo ny fisamborana mpiaro ny tontolo iainana bebe kokoa any Kambôdza
Nolazain'ny manampahefana fa "mpikomy" ny vondrona ary nilaza izy ireo fa nampiasa famantsiam-bola vahiny izy ireo mba hanonganana ny governemanta.
Seho andiana elefanta mirenireny any Shina. Tsy hoe ‘maha-te-ho-tia’ araka ny ahitana azy ireo.
"Nisy ihany ny manam-pahaizana nanome fanazavana momba ny dian'ny elefanta nianavaratra. Tsy niresaka ny marina ny tompon'andraikitra teo an-toerana."
Nohavaozinay ny Torolàlana momba ny Famerenana Mamoaka Lahatsoratra GV: Ireto no tokony ho fantatrao
Raha olom-baovao amin'ny vondrompiarahamonina GV ianao, na tsy dia mbola zatra loatra miaraka amin'ny fametahana lisansa Creative Commons sy ny fomba fiasàny, amporisihanay ianao hiverina hijery ny pejy nasiana fanavaozana momba ny Torolàlana Famerenana Mamoaka Lahatsoratra.
Misaona ny famonoana ilay mpanao gazety Espaniola tany Burkina Faso ireo mpanao gazety mpitatitra ady
Nitombo hatramin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2015 ny ady nifanaovan'ireo vondrona jihadista