· Oktobra, 2019

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Oktobra, 2019

Mety hipoaka ao Trinite ny volokanom-potaka: efa niomana ve ny mponina?

  30 Oktobra 2019

Ao Trinite afovoany, vao haingana ny fotaka volkano Piparo no nampiseho famantarana hetsika mitombo, ampy hampisy fivakisana eny amin'ny arabe akaiky. Nisy trano iray manokana  niharan'ny fahasimbana ara-drafitra ary nitatitra ireo mponina ao Piparo fa nandre feo mafy sy setroka maimbo solfara amin'ny rivotra.

Manatevin-daharana ny Fitokonana ho an'ny Toetr'andro ny tanora any Japana

  26 Oktobra 2019

Manomboka mandray andraikitra ny vahoaka Japoney. Tanora Japoney mpanao fihetsiketsehana 2 500 teo ho eo no nanao diabe niainga tao amin'ny Oniversiten'ny Firenena Mikambana ao amin'ny lalana Omotesando ao Tokyo ho any amin'ny toerana fiampitana malaza Shibuya, miantsoantso teny filamatra manoloana ireo mpandeha an-tongotra mitazana ary hita mazava fa gaga.

Rosia: Hazo Noely adala ao Vladivostok

Tsy afaka mihitsy amin'ny vazivaziny izay manakana azy ireo amin'ny fahaketrahana maharitra ireo mponin'i Vladivostok, tanàna seranan-tsambo Rosiana lehibe indrindra any amin'ny Ranomasimbe Pasifika. Mihomehy amin'ny zava-drehetra izy ireo, na izany fitohanana mahatsiravina, na filatsahan'ny ranomandry manaitra, ny ravaky ny hazo noely na hetra vaovao amin'ireo fiara Japoney nafarana.

Tanora mpikatroka Tanzaniana manana vinam-panabeazana mampiaty

  25 Oktobra 2019

Nahita ny fanadihadiana vao haingana notontosain'ny HakiElimu, fikambanana Tanzaniana tsy mitady tombontsoa fa na dia any am-pianarana izay heverina ho "iarahan'ny rehetra" aza, dia mbola tsy namana kokoa ho an'ny mpianatra manan-kilema ara-pahitana ny tontolo fianarana. Vitsy ny sekoly misy ao Tanzania natokana indrindra ho an'ny olona manana kilema isan-karazany.