· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Desambra, 2018

Shina: Mitady Fanendrena ny Tranombakoky ny Kolikoly

  31 Desambra 2018

Kasaina ho atsangana ao amin'ny faritany atsimo-atsinanan'i Sichuan ny tranombakoka iray momba ny kolikoly, araka ny tatitry ny China Daily, izay mitanisa avy tamin'ny gazety iray tao an-toerana. Mitady fanendrena avy amin'ireo mpampiasa aterineto hanondro ireo mpiasam-panjakana 100 voafatotry ny kolikoly be indrindra nandritra ny taonjato farany teo ilay tranombakoka.

Chernobyl: Taratasy Tsy Nosoratana Mihitsy

  31 Desambra 2018

Manoratra mikasika ny zavatra niainany tamin'ny naha miaramila noterena hanompo tany Chernobyl 20 taona lasa izay (Rosiàna) ny mpampiasa LJ wall4 - avy any Lviv, Okraina, izay ankehitriny monina ao Connecticut. Arahina sary marobe miloko fotsy sy mainty an'ny tafika ilay tantara.

Ny herinandro tao Bahrain

Herinandro hafa mafana ny tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Bahrainita, miaraka amin'ireo bilaogera sasany mitolona ao ambadiky ny fanentanana fanoherana ny sektarisma, Just Bahraini; ny hafa kosa vao tafaverina tamin'ny fialantsasatra lavalava; ary misy ny mankalaza ny andro nahaterahany (?)!