· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Aogositra, 2018

Nepal: Ny Fitokonan'ireo Madheshi, Ny Governemanta Vonjimaika

  30 Aogositra 2018

Ny olan'ireo Madheshi - olona mivelona ao amin'ireo lemaka meridionaly an'i Nepal - dia mbola vaovao malaza hatrany. Ny fivoriana mikasika ireo Zon'ny Mponina ao Madhesh, izay anton'ny fihetsiketsehana goavana tao atsimon'i Terai mitaky an'ireo tombontsoa mitovy sy ny tsy fanilikilihana, dia namerina indray koa ireo fitokonana.

Madagasikara: Anglisy teny ofisialy, fanomezam-boninahitra ireo lasibatry ny fifanandrinana ara-panjanahantany sy ny rivodoza

  30 Aogositra 2018

Fenofeno ny vaovao teto Madagasikara tanatin'ny tapabolana faharoan'ny volana marsa 2007: referandaoma fanitsiana ny lalampanorenana nampiditra ny teny anglisy ho teny ofisialy. nanome voninahitra ireo lasibatry ny fitroarana nanoherana ny fanjanahantany tamin'ny taona 1947 izay niafara tamin'ny fahafatesan'olona 80.000 ihany koa i Madagasikara. Farany, rivodoza fahaenina tanatin'ny enimbolana.

Mpanoratra Asongadina: Jillian York

Mamaritra ny tenany ho toy ny "mpanoratra, mpikatroka, mpiady amin'ny sivana an'aterineto sy bilaogera" i Jillian York. Monina ao Boston izy ary miasa ao amin'ny Berkman Center for Internet & Society ao amin'ny OpenNet Initiative sy ny Herdict, tetikasa ifarimbonana iray mamantatra ireo tranonkala nakatona.