· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Jolay, 2018

EWAMT-Yemen: Vita ny atrikasa voalohany tamin'ny famahanana bilaogy

Rising Voices  30 Jolay 2018

Efa nampahafantarina antsika ny tetikasan'i Ghaida'a Al Absi 'Fanohanana ireo Vehivavy Mpikatroka amin'ny Teknikan'ny Media' izay nampiofana ireo vehivavy mpikatroka ao Yemen ary niaraha-niasa tamin'ny hetsika Hand In Hand . Iray amin'ireo nahazo vatsy fanohanana avy amin'ny Rising Voices ry zareo. Faly izahay fa vita soaman-tsara ny atrikasa fihodinana voalohany.

Fantaro ireo bilaogera vaovao ao Liberia

Rising Voices  30 Jolay 2018

Tamin'ny volana Oktobra lasa teo, mpanao gazety Liberiana sivy no nianatra ny fomba fibilaogina nandritra ny atrikasa tao amin'ny Ambasady Amerikana ao Monrovia. Noho ny fanohanan'ny Foibe ho an'ny Demokrasia sy ny Fampandrosoana ao amin'ny UMass Boston, tafaverina eto Monrovia aho ankehitriny miaraka amin'i Kathleen Flynn sy Ken Harper.

Bahrain: Andron'ny Mpifankatia sa Andron'ny Hatezerana?

Ao Bahraina, sady an-tambajotra no tsia, naneho ny firaisankinany amin'ireo Ejiptiana ny mponina, tamin'ny fanaovana hetsi-panoherana tao amin'ny Masoivoho Ejitpiana tamin'ny 4 Febroary. Na dia tena hetsika firaisankina tamin'ny ankapobeny aza ilay fivoriana, fahafahana ho mba hanehoan'ireo mpanohitra ao Bahrain izay manahirana azy manokana ilay hetsi-panoherana --izay nekena niaraka tamin'ny fanomezandalana avy amin'ny fanjakana.

Bilaogy ao Però, taona 2005

  30 Jolay 2018

Nisy tolotra vaovao roa nifantoka tamin'ny bilaogy Peroviana tamin'ny taon-dasa: ny voalohany dia ny Perublog.net, izay nanomboka niasa tamin'ny volana Janoary 2005 . Ary tamin'ny volana May, nipoitra ihany koa ny Perublogs.com, armoara iray izay ho lasa mpamatsy tolotra isan-karazany ho an'ny tontolon'ny bilaogy Peroviana